Trano roa no novakian’ny jiolahy tamin’ny 6 aogositra teo, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tany amin’ny tanàna atao hoe Ampatsakana sy Morafeno any Ankazobe. Vokany , lehilahy iray maty notrobarana « barre à mine » teo amin’ny kibony. Naratra voavely teo amin’ny lohany kosa ny vadiny. Lasan’ireo mpangalatra ny vola 130 000 ariary sy peratra volamena. Tamin’ny ora nahatongavan’ireo mpandroba, novakiany ny varavarana. Raha vao tafiditra ry zalahy dia nitaky vola 15 tapitrisa ariary. Tsy nisy an’izany anefa tao amin’ilay olona, ka izany no namonoany an’ilay rangahy. Tao amin’ny trano teny Morafeno, vehivavy iray no tao ary noratrain’ireo mpangalatra koa.
Telo ny isan’ireo jiolahy ka ny iray nanao saron-tava fa ny roa nandeha tamin’izao. Fantatr’ilay vehivavy teny Morafeno ireo roalahy, satria dia olona mipetraka tsy lavitra ny tranony akory. Nilazana ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Tsy niandry ela fa teo no ho eo ihany dia natao ny fisamborana azy ireo. Tamin’ny fisavana ny tranony, hita tao ny ‘bas collant” fampiasan’izy ireo hanafenany ny tavany.
r.s.