- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAnosy : Lasibatry ny mpanendaka ireo mpiandry bus hariva

Anosy : Lasibatry ny mpanendaka ireo mpiandry bus hariva

Tsy vitsy no mitaraina amin’ny firongatry ny fanendahana amin’izao. Tsy misalasala mampiasa ny fitaovam-piadiana eny aminy mantsy ireo tontakely. Araka ny fantatra dia ireo voatery miainga vao maraim-be na ireo mpody hariva, fa indrindra ireo mpiasa hody miandry bus no tena ataon’izy ireo lasibatra, toy ny mitranga eny amin’iny faritra Anosibe, Colas, ary ny fiantsonan’ny fiara ho any Imerintsiatosika iny. Teo anatrehan’ireo fitairanana maro voarain’ny avy eo anivon’ny polisy dia nisy hetsika ataon’izy ireo ho fiambenana ireo toeram-piantsonana ireo. Ny polisy avy eo anivon’ny Sag na ireo mpitandro filaminana voahofana manokana hiady amin’ny asan-jiolahy no nandray an-tanana ny raharaha. Vokany ny faran’ny herinandro teo dia mpanendaka raindahiny telo lahy,

efa ela nokarohina no voasambotra tetsy Anosy, raha mbola nikasa ny hanao ny asa ratsiny iny. Nentina avy hatrany namonjy ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalàna, mba hanaovana famotorana. Ny pôlisy eo anivon’ny Sut moa no miandraikitra ny fanadihadiana azy ireto.

Fa ankoatr’izay, mbola vokatra azon’ireo pôlisy misahana ny asan-jiolahy mahery vaika hatrany. Mpanendaka raindahiny, izay mazàna miaraka amin’ny zava-maranitra no voasambotr’izy ireo omaly tetsy ambonin’ny tetezan-dRamala, tokony ho tamin’ny enina ora maraina tany. Isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanendahana lehilahy iray, tsy lavitra io toerana io ny faran’ny herinandro teo, ity jiolahy ity. Marihana, hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy fa lasan’ireo tsy valahara tamin’izany ny vola mitentina dimy tapitrisa ariary tany amin’io lehilahy io. Roalahy izy io no niara-nanantanteraka izany asa ratsy izany saingy tafaporitsaka ilay namany iray. Efa nomena ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra moa ingahirainy, mba atao famotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici