- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversTana : Voafitany ny fiangonana, ny hotely, ny mpivaron-tena

Tana : Voafitany ny fiangonana, ny hotely, ny mpivaron-tena

Nivoaka tamin’ny fahanginany koa ny fiangonana zandriny iray raha nahita ny fiparitahan’ny vaovao tamin’ny gazety sy ny tambajotra sosialy. Izany dia mahakasika ny fisolokian’ny lehilahy iray. « Izy dia nijoro vavolombelona tao am-piangonana teo anoloan’ny mpino rehetra fa nahazo fahasoavana. Ary nilaza fa hanome fanomezana lehibe ho an’ny fiangonana. Isan’izany ny fiara, ny moto, ny vola sy ny maro hafa. Faly ny mpino ary nitehaka hoazy » raha araka ny tompon’andraikitra iray izay niseho tamin’ny fahitalavitra tsy miankina mba hijoro vavolombelona. Dia nisy hatramin’ny olona izay nampiantrano azy sy niantoka ny fiarovana ilay rangahy. Nilaza mantsy izy fa miliardera ary misy vola kirakiraina ary mila harovana ny ainy. Vao avy nivarotra merkiora izy raha ny lainga marivo tototra izay nolazainy mba entina hamitahana ny rehetra. Marobe ny taratasy teny aminy, isan’izany ny taratasy hividianana fiara vaovao, taratasin’ny kodiaran-droa, karazana sekin’ny banky ary ny maro hafa koa. Nijanona andro vitsivitsy tao amin’ny tranon’olona izy no sady natao toa ny vahiny manan-kaja satria hanao asa soa ho an’ny fiangonana. Tonga amin’izay ny andro malaza hangalàna ny fiara, ny moto sy ny hafa. Niandry tao anaty taxi izy ary najanony tao ny olona fa izy kosa handamina ny ara-taratasy. Kinanjo tany dia tsy hita. Lasany hatramin’ny volan’olona sy ny finday samihafa. Nanomboka tonga saina amin’izay teo fa nisy famitahana. Nanamarina ny ahiahy ny fivoahan’ny vaovao tamin’ny haino aman-jery sy ny tambajotra sosialy samihafa. Teo dia tonga saina koa ny fiangonana fa voafitaka. Nanao fanentanana ny tompon’andraikitra ary namoaka sary mba hitandrina izay mety ho lalovany. Etsy andanin’izay dia nitory koa ny hotely izay nialan’io lehilahy io vola. Raha tsiahivina dia nipetraka tamin’ny efitrano fandriam-bahiny izy ary naka hanim-pitoloha sy vehivavy. Nitsoaka izy nony avy eo ary taraiky teo hatramin’ilay mpivarotra fahafinaretana. Hitan’ny fiangonana tamin’ny facebook izany ary teo vao tena voamarina tanteraka fa mpisoloky ny lehilahy. Tsy kely lalana ny ratsy…

D.R

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici