Tao anatin’ny roa andro monja, nahatratra 20 ny isan’ny olon-dratsy voasambotry ny polisy teto an-drenivohitra. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy tany anaty elakelan-trano sy eny an-dalambe nahitany izany vokatra izany. “Misesisesy ny fisamborana ireo olon-dratsy any anaty elakelan-trano sy eny amin’ireny toerana be olona ireny. Tao anatin’ ny roa andro monja dia olon-dratsy miisa 20 no voasambotra », hoy ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny polisim-pirenena. Mpamaky trano miisa enina no tratran’ny polisy tetsy Tsimbazaza sy Androndra. Mpanendaka miisa 12 no voasambotra ka ny roa teo Andravoahangy, ny telo teny amin’ny 67 ha, ny iray teny Anjanahary, ny iray hafa tany amin’ny Mascar, ny efatra tetsy Isotry ary ny telo farany mpanendaka teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Anosy.
Nisy jiolahy miisa roa nitondra basy vita gasy ihany koa no tra-tehaka saika hamaky mpamongady teny Anosibe. Eto ny Polisim-pirenena dia misintona ny saintsika rehetra mba samy hitandrina ka tsy hanao fihetsika misintona ireo olon-dratsy.v« Aza mitondra any amin’ny fakam-panahy sy ny fitsiriritana. Aza mampideradera vola na zavatra sarobidy eny an-tsena na eny an-dalana. Fadio ny manisa vola eny an-dalana. Aza milalao finday eny an-tsena na eny amin’ny toerana be olona na any anaty taxi-be”, hoy ny fanazavana.
Amin’ny ankapobeny, anisan’ny toe-javatra tena nandrasan’ny mponina eto an-drenivohitra ny ady amin’ny asan-jiolahy tahaka izao. Efa nampikolay ny olona rahateo ny afitsok’ireo mpanendaka, izay tsy misy tahotra intsony mamely amin’ny andro atoandrobe nanahary. Maro ireo olona efa lasibatra, ary maro ihany ny efa tratra, saingy mbola maro ireo miriaria any. Raha mitohy hatrany ny asan’ny mpitandro filaminana tahaka izao, mety mba hiaina am-pilaminana ny vahoaka. Anjaran’ny fitsarana kosa ny manome sazy mavesatra azy ireny mba tsy hiverenan’ny asa ratsiny intsony.
Yv Sam