Nisehoana von’olona mahatsiravina tao Mahajanga , fokontany Mahavoky Atsimo, ny alahady lasa teo. Tovolahy roa samy mbola tsy ampy taona no namono nahafaty tovolahy iray hafa izay vao 17 taona monja. Voasambotra avy hatrany izy ireo taorian’ny asa ratsiny ary natolotra ny mpitandro filaminana nanaovana famotorana. Araka ny vavao avy any an-toerana, notsindronin’izy ireo ny antsy teo ambavafony ilay tovolahy ary izay no nitarika izao fahafatesany.
Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy roa lahy ireto no nafantarana fa noho ny resaka ady « sipa » no antony namonoan’izy ireo ilay tovolahy iray, izay mpinamana mifankafantatra ihany izy ireo. Nisy ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta ka niafara tamin’ny famonoana. Nitsoaka avy eo kanefa tsy ela dia voasambotra. Mba tsy niharan’ny fitsaram-bahoaka azy izy roa lahy. Anisan’ny toe-javatra mahatonga izany rahateo ny famonoana tahaka izao, ka tratran’ny olona ny nahavanon-doza. Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ny maty ka miandry ny fanolorana ny raharaha eny anivon’ny fitsarana.
Yv Sam