- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbositra : Dahalo roa maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ambositra : Dahalo roa maty niharan’ny fitsaram-bahoaka

Avy nanao ny asa ratsiny tany amin’iny distrikan’Ifanadiana iny ireto olon-dratsy no tra-tehaky ny fokonolona tany amin’ny distrikan’Ambositra, ny herinandro lasa teo. Roalahy izy ireo ireto voasambotra ireto ary tsy navelan’ireo fokonolona raha nanaraka hatramin’ny ainy. Mba tsy mitsitsy ihany koa ireo fokonolona rehefa mahasambotra, toy ny ataon’ireo dahalo rehefa mampitondra faisana azy ireo mandritry ny fanafihana ataony. Araka ny fampitam-baovao azo dia nisy fanafihan-dahalo mahery vaika nitranga tany amin’iny distrikan’Ifanadiana iny. Ny tananan’Analapasina no nampitondrain’ireo andian-jiolahy ny mangidy tamin’io fanafihana, nitranga ny herinandro nivalona iny. Teo anatrehan’ny zava-nisy, navondrona avy hatrany ireo andrimasom-pokonolona hanao ny fanarahan-dia. Ary tsy teo amin’ny kaominina izay nitrangan’ny fanafihana ihany fa hatramin’ireo kaominina manodidina aza, entina hikarohana ireo nahavanon-doza. Nitondra vokatra avy hatrany izany fanetsehana andrimasom-pokonolona izany satria fotoana fohy taorian’ilay fanafihana dia tra-tehaky ny fokonolona tao amin’ny kaominina Ambohimitombo, distrika Ambositra ny roa tamin’ireo mpanafika. Raha ny fampitam-baovao azo dia toa hoe nisy ny fifandonana nandritra izany fisamborana izany, saingy tsy nahaleo tosika ireo fokonolona efa tofoka tsy fandriampahalemana ny fanoheran’ireto jiolahy ireto. Naratra mafy vokatr’izay fifandonana izay ireo olon-dratsy. Voalaza fa tsy tana intsony ny ain’ireto roalahy voasambotra ireto, teny an-dalana hitondràna azy ireo hiakatra ny tanana. Efa nampandrenesina mahakasika izay toe-javatra izay moa ireto tomponandraikitry ny filaminana tany an-toerana ary efa tonga nanao ny fanadihadiana sy ny famotorana mahakasika ity tranga ity. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo naman’ireo olon-dratsy izay isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fanafihana tanana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici