- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe Mandoto : Lasan'ny dahalo ny ombin-tsarety

Ankazobe Mandoto : Lasan’ny dahalo ny ombin-tsarety

Miverina mirongatra indray ny halatr’omby ao amin’ny distrikan’i Mandoto. Tsy fanafihana mitam-piadiana toy ny fandre matetika no mitranga ao ankehitriny fa lasa joko na ireny antsoina hoe rainizavona ireny. Fianakaviana iray no very ombin-tsarety roa ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Tsy nisy nahare ny nangalan’ireo dahalo ny omby tao ambala  fa ny tompon’omby nifoha tamin’ny 4 ora maraina hamahana no giana tsy nahita ny ombiny tao intsony. Niantso vonjy ity farany ary vory lanona ny fokonolona nanao ny fanarahan-dia. Hatramin’ny ora nanoratana omaly mbola tany ampanarahan-dia ny fokonolona saingy re fa tsy nahita nangirana mihitsy. Tao amin’ny fokontany Andrambo kaominina Vinany no nisehoan’ity tranga ity. Nambaran’ireo fokonolona tafaresaka taminay fa mateti-pindranga ny joko tahaka izao tao amin’ny kaominina. Rehefa mahazo ny lalam-pirenena vita tara ny dian’omby dia tsy hita intsony.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici