- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohimanarina : Tsindrona antsy indroa teo amin’ny tendany no namonoana ilay ankizy...

Ambohimanarina : Tsindrona antsy indroa teo amin’ny tendany no namonoana ilay ankizy vavy

Notsindronina antsy indroa ilay ankizy vavy kely 10 taona. Teo amin’ny tendany avokoa izany no niantefa, ka maty tsy tra-drano izy. Ilay reniny koa voatsindrona antsy teo amin’ny masony, ary mbola mitsabo teny amin’izao fotoana izao. Teny Ambohimanarina no niseho izany zavatra izany ny alarobia lasa teo. Nahazo antso avy amin’ny polisy eny an-toerana ny avy ao amin’ny BC1 fa misy lehilahy nosamborina, satria nahafaty olona. Izany Rado izany no anarany, monina eny an-toerana ihany. Tamin’ny famotorana azy dia nilaza ny anao lahy fa manana tany eny Ambohidratrimo ary nivarotra izany 500 000 ariary tamina vehivavy iray antsoina hoe Victorine R. monina eny Ambohimiadana Ambohimanarina. Nampiany izany fa efa nosoratan’ilay mpividy tamin’ny anarany ny tany, nefa ny vola tsy mbola azon’ilay mpivarotra. Tonga tao amin’ny tranon’i Victorine izy haka ny taratasin’ilay tany. Tsy tao anefa ilay ramatoa fa ny zanany vavy kely no tao. Tamin’ny fotoana nikarohan’ilay lehilahy ny taratasy, niantso vonjy ilay zaza. Voatsindrona antsy io farany ary izany no nahafaty azy. Nofonosin’ilay mpamono bodofotsy ary nepetrany teo am-pandriana ny razana. Afaka adiny iray, tonga ny reniny ary gaga nahita ny zanany maty. Raikitra teo ny fifanjevoana teo amin’izy roa tonta. Vaon’ny antsy teo amin’ny masony i Victorine. Afaka niantso vonjy anefa izy. Nosamborin’ny fokonolona i Rado ary naterina tany amin’ny polisy. Ny vaovao no nahafantarana fa mpanao birikin’i Victorine ity namono ny zanany ity. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ilay lehilahy.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser