Niresaka tamin’ny mpanao gazety ny filohan’ny fikambanan’ny miramila misotro ronono eto Toamasina, Atoa Razafindrakoto Andrianantenaina Remi, ka nandritra izany no nilazany fa mitaky ny fampiharana ilay didim-panjakana laharana 2005-341, mikasika ny fampisondrotana karama sy tambin-karama samihafa ho azy ireo. Tsy afaka hanaiky intsony ny fikambanan’ny miaramila mosotro ronono, izay efa mpikambana feno amin’ny vondrom-ben’ny sendika eto Madagasikara, na ny SSM, fa hitaky izany hatramin’ny farany. Efa nampanantena ny fanondrotana azy io ny filoha ankehitriny tamin’ny tetezamita ny taona 2009, saingy tsy mbola azo hatreto ny an’ireto misotro ronono raha efa nahazo ny azy ireo teo am-perinasa nandritra izany. Hatreto dia mbola tsy azo izany fampanantenana nataon’ny filoha ankehitriny tamin’ny tetezamita izany, ka takian’ireto miaramila misotro ronono ireto ny fanatanterahana ny toky nifanaovana. Tsy mitady ny tsy azy ireto miaramila misotro ronono ireto fa mitaky ny zony araka ny didim-panjakana nivoaka ara-dalàna. Miisa 147 izy ireo eto Toamasina I, 07 ny ao Brickaville, 12 ny ao Soanierana Ivongo, 04 ny ao Vatomandry, ary miisa 13 ny ao Mahanoro. Ankoatra izany dia nambaran’Atoa Razafindrakoto Andrianantenaina Remi, filohan’ny fikambanan’ny miaramila mosotro ronono eto Toamasina, fa hiakatra ambonimbony kokoa izy ireo amin’ny fitakiana hataony raha toa ka tsy handoa ny anjarany araka ny didim-panjakana ny fanjakana ato ho ato. Efa ela niandrasana izy ireo hatramin’izay fotoana ela be izany, ary efa reraky ny fampanantenana poakatiny nataon’ny filoham-pirenena ihany koa.
Malala Didier