- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFifoterana : Raim-pianakaviana tratra nanolana ny zanany vavy imbetsaka

Fifoterana : Raim-pianakaviana tratra nanolana ny zanany vavy imbetsaka

Efa tsy mifadi-trovana tanteraka ! Tsy vao sambany, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena no nanamparan’ity ray adala ny filàny ara-nofo tamin’ny zazavavy kely vao sivy taona monja, izay zanany naterany fa efa maromaro ihany. Voasambotra tany Tolagnaro moa ingahirainy, ny alatsinainy lasa teo ary hatolotra ny Fampanoavana anio.

Raha ny vaovao voaray dia nitranga tao amin’ny tanana iray ao Anivorano, Tolagnaro ity trangana fifoterana miampy fanolanana ity. Loharanom-baovao tonga teny am-pototsofin’ireo tomponandraikitry ny filaminana misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona no nahafantarana ny fisian’izany tranga izany tao amin’io tanana io. Rehefa natao ny famotorana sy ny fanadihadiana rehetra dia tena fantatra tokoa fa tena misy ilay tranga. Zazavavy kely iray vao sivy taona monja, mpianatra amin’ny sekoly ambaratonga fototra ao Befalafa no niharan’izany herisetra ara-nofo izay, tao anatin’ny fotoana maromaro ihany izay. Tamin’ny alalan’ny famotorana hatrany no nahafantaran’ireo tomponandraikitra amin’izany fa ny rainy niteraka azy ihany, lehilahy 43 taona no tompon’antoka sy nahavanon-doza, nanimba tanteraka ity zanany vavy kely. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia nidinan’ireo pôlisy tany amin’ny toerana nisy azy ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity ary nentina natao famotorana tany amin’ny birao. Niaiky soa aman-tsara ny zava-dratsy nataony ranamana ary niaiky ihany koa fa « tsy vao sambany » araka ny vaovao azo no nanaovany izany tamin’ilay zaza. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireo pôlisy hatramin’ny fotoana nanoratanay ary raha tsy misy ny fiovana dia mety hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana any an-toerana ity « ray adala » ity. Na dia efa betsaka tokoa aza ireo miditra am-ponja noho ity resaka fanolanana ity dia mbola maro ireo tsy mety fay, mihevitra fa tsy ho tratry ny aloka sy miafinkafina any ambany ravin-kazo any. Tsy avelan’ny ràn’ireo tsy manan-tsiny tsy hivoaka anefa ny marina rehefa ela ny ela.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici