Lasibatra avokoa izao na ny mpandeha an-tongotra, na ny mpandeha fiara eny fa na ny mpandeha môtô aza. Toy ity nitranga teny amin’iny faritra 67ha akaikin’ny hotely lehibe iray iny. Ramatoa nitondra môtô no lasibatry ny mpanendaka, izay mbola bandy kely tsy ampy taona. Lasa tamin’io, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy ny firavaka sarobidy teny an-tananan’ity ramatoa ity. Ary tsy vitan’izay fa mbola naratra mafy ihany koa ny tenany noho ny fianjerany avy eny ambony môtô. Faritra anisan’ny mampikolay ireo mpiantsena sy ireo mpandalo tokoa raha iny faritra 67ha iny noho ny hafitsok’ireo tontakely eny an-toerana, izay tsy menatry ny mandranganga fitaovam-piadiana ary sahy manao ny asa ratsiny na dia antoandro be nanahary aza. Toy ity nahazo ity ramatoa mpitondra môtô ity mantsy dia vao tamin’ny efatra ora hariva, ny alakamisy teo. « Handeha hiasa nitondra môtô no tratran’ny sinto-mahery ka ny vangovango volafotsy teny amin’ny tanany no voasinton’ity tovolahy kely ity, rehefa zay dia nianjera teny ambony môtô ity ramatoa ity. Rehefa azon’ilay mpanendaka ilay vangovango volafotsy dia nitsoaka avy hatrany izy » hoy ny vaovao voaray. Mbola nanana aina ny hiantso vonjy izy tamin’io fotoana io, eny fa na dia teo aza ny ratra nahazo azy vokatry ny fianjerany. Soa ihany tamin’izay fotoana, sendra ireo polisy mpanao fisafoana ny tenany ka ireto farany no avy hatrany dia namonjy azy, avy eo nanenjika ilay olon-dratsy. Tsy lasa lavitra moa ilaikely dia voasambotra saingy efa tsy tany aminy intsony ilay firavaka vao avy nangalariny. Midika fa mety misy namany ihany tsy lavitra teo angamba. Nentina avy hatrany natao famotorana moa ity mpanendaka ity, izay vao 16 taona monja raha ny vaovao azo. Natolotra ny Fampanoavana omaly.
m.L