- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadinandriana : Lehilahy hita faty nifatotra ny tendany

Ankadinandriana : Lehilahy hita faty nifatotra ny tendany

Lehilahy iray hita faty nifatotra ny tendany omaly maraina, tany Ankadinandriana. Raha ny vaovao voalaza avy any an-toerana dia voalaza fa maty namonon-tena ity lehilahy ity. Nifatotra ny tendany, toy ireny avy nihantona ireny, kanefa efa tamin’ny tany nahitana azy. Tsy misy mahalala azy ny olona teny an-toerana. Nampandre ny manampahefana ny fokonolona ary tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Misy ny ahiahy ny amin’ny mety namonoana ilay tovolahy io, fa tsy namono tena. Ny tohiny fanadihadiana anefa no amaritra izay. Misokatra araka izany ny fandihadiana ny raharaha. Toe-javatra izay tsy fahita any Ankadinandriana satria tanàna milamina ny any an-toerana. Miteraka tahotra ho an’ny olona ihany ny fahitana ny tranga toy izao. Raha asan-jiolahy, na famonoana, efa eo an-tanana ny olon-dratsy na mety avy any ivelany ihany koa. Ny asan-jiolahy izay mahazo vahana tanteraka amin’ny faritra maro eto amintsika na andrenivohitra na ambanivohitra amin’izao fotoana izao. Manao ny ezaka ny mpitandro filaminana, saingy toy ny tsy maharesy tosika ireo olon-dratsy. Manao antso avy hatrany ny olona manoloana izany, satria efa mandry tsy lavo loha. Manao izay ho afany koa andaniny ny zandary sy ny polisy.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici