Nilefitra tamin’ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana nandritra ny Paska teto anivon’ny faritra atsinanana. Na teo aza ny fitangoronana samy hafa dia tsy nisy aloha ny sazy nomen’izy ireo fa teo ny fandeferana nomena ireo vahoaka tamin’izany.
Vokatra izany anefa dia nitera-doza ny alatsinain’ny Paska ho an’ny faritra atsinanana, satria mpitsangatsangana enina no maty an-dranomasina noho ny filalaovana izany. Ny efatra tamin’izany olona maty an-dranomasina izany dia nitranga tany Ambilalemaintso, maromaro izy ireo no lasan’ny rano tamin’izany fa ireto olona efatra ireto no maty, fa ireo ambiny kosa savolaina ihany vao avotra tao anaty rano. Ny ambiny tamin’ireo maty an-dranomasina ireo dia teto Toamasina, ka teny amin’ny ranomasin’ny lisea Jacques Rabemanajara Salazamay ny iray tamin’izany raha niezaka nanavotra azy ny mpitsangatsangana nahita ny loza.
Ankilan’izay dia niezaka nanazava ny kabary nataon’ny filoham-pirenena ny 03 avrily teo ny prefen’i Toamasina, satria raha ny fanazavany dia omaly talata 06 avrily no tapitra ny fahafahana mivezivezy ho an’ireo “taxibrousse” sy ny fiaramanidina mitatitra ireo mpifindra monina mody amin’ireo faritra mihidy eto amintsika. Raha ho an’ny faritra atsinanana eny Ampasimbe sy Antsarimasina ny sakan-dalana momba ny fiarovana, ny ao Brickaville kosa ny sakan-dalana momba ny fahasalamana, ho an’ny lalam-pirenena faha-02; ao Analamalotra sy Ambalahasina kosa izany sakana ara-piarovana izany ho an’ny lalam-pirenena faha-05.
Ankoatra izany dia fantatra ihany koa izao fa saika lasa sakoroka ny mpitsangatsangana sy ny mpitandro ny filaminana noho ireo mpiala sasatra nitangorona, ka voatery nandroaka azy ireo ny mpitandro ny filaminana izay nanapoaka basy mihintsy araka ny vaovao voaray. Na izany aza nilamina ihany ny fitsangatsangananan’ny olona tao Mahavelona Foulpointe raha niezaka tsy nitangorona intsony ireo tonga nitsangatsangana tany ny alatsinainy ny Paska teo.
Malala Didier
Paska ny faritra atsinanana : Nitera-doza, enina ny maty an-dranomasina…
Articles qui pourraient vous intéresser