Raha somary nilamindamina ny kaominina Mahaiza distran’i Betafo tamin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana dia niverina indray izany ankehitriny. Maty rotiky ny balan’ny dahalo ny lefitry ny sefo fokontany tao Ambohilaza nandritra ny fanafihana nihatra tao amin’izy ireo. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo no nitrangan’ny fanafihana ny alin’ny Sabotsy hifoha ny alahadin’ny paka teo, araka ny loharanom-baovao any an-toerana. Tsy nanam-po hoe misy manafika ilay rangahy raha naheno fa nivoaka ny vala ny ombiny, nivoaka ny trano am-pilaminana izy kinanjo efa dahalo no niandry azy tamin’ny basy ary nitifitra avy hatrany, niditra teo amin’ny lamosiny ny bala ary nivoaka teo amin’ny tratrany. Maty tsy tra-drano moa ity raim-pianakaviana ity, rotika tanteraka ny vatany. Nahita ny zava nitranga rehetra ny vadiny izao nivoaka teo amin’ny lavarangana. Nahare ny feon’ireo dahalo niresaka sy nanontany ireo hoe fa efa tena maty ve ilay rangahy. Ny sasany kosa naniraka ireo namany hanidy ny trano mba sy nilaza hoe aza avela misy mivoaka ny tompon-trano. Omby vavy be ronono sy omby lahy iray no lasan’ny dahalo. Marihina fa ankoatra ny maha lefitry ny sefo fokontany ilay maty dia mpandraharaha amin’ny resaka ronono eto an-tanana izy ary nanana ny naha izy azy teo an-tanana fony fahavelony.
Andry N.