
Saika isan-kerinandro dia misy filazàna fikarohana hatrany avy amin’ny mpitandro ny filaminana. Ny tsikaritra dia betsaka amin’ireo ny taranak’i Eva. Vao omaly izao ny polisim-pirenena no nampahafantatra fikarohana ramatoa iray antsoina hoe Rabezanahary Noro izay nosokajian’izy ireo ho mpisoloky avo lenta amin’ny sehatry ny varotra sy ny fampiasàna taratasim-bola tsy misy antoka. Ny fiadidian’ny polisy misahana ny fampiasana hosoka sy ny heloka ara-toekarena, varavarana faha-120, no miandraikitra ny dosie mahakasika azy. Nampitandrina koa ny polisy fa raisina ho mpiray tsikombakomba aminy izay mampian-trano sy manafina azy. Manomboka mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe ny vehivavy ve izany no tena mpisoloky kokoa eto an-drenivohitra? Na izy ireo mandeha irery na matetika misy lehilahy iray miaraka aminy fa saingy ny vehivavy no tena miditra an-tsehatra amin’ny fanatontosana ny asa fisolokiana. Mety mafy kokoa angamba any amin’ny fandresen-dahatra na mora kokoa aminy ny fanatonana ny olona na orinasa izay hatao lasibatra. Maro ny karohina ankehitriny ary matetika dia olona tsy ampoizina ho olon-dratsy no voakasika.
D.R