- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana “chef de poste” : Zandary roa nampidirina am-ponja

Famonoana “chef de poste” : Zandary roa nampidirina am-ponja

“Tsy fandraisana andraikitra manoloana ny loza mitranga, tsy fanoinana ny antso vonjy aina, tsy famonjena ara-potoana olona tra-doza” ireo no nanenjehana ireo zandary roalahy niasa tao amin’ny zana-tobi-paritra tao Marotsiraka, Taolagnaro, nandritra ny famonoana an-kitsirano ny lehiben’izy ireo ny andron’ny 14 martsa lasa teo. Ny alarobia lasa teo tokoa no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, ilay raharaha famonoana an-kitsirano lehibena zandary tao amin’ny zana-tobi-paritra Marotsiraka. Olona enina no voarohirohy tamin’ity raharaha ity : efatra ireo jiolahy voalaza fa tompon’antoka tamin’izany vono olona izany ary roa ireo zandary, izay tsy iza fa ny lefitr’ilay zandary maty ary “platon” niasa tao amin’ny birao tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana. Taorian’ny fihenoanan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo dia nisy fanampahan-kevitra nivoaka ny hampidirana am-ponja vonjy maika azy rehetra mandrapahatonga ny fotoam-pitsarana. Raha tsiahivina ny zava-nisy, tamin’io alin’ny 14 martsa io dia maty voatifitry ny jiolahy, raha iny saika haka rivotra teo an-davarangan’ny trano fonenany iny ny Gphc Fenomanjato Cyril, chef de poste tao Marontsiraka. Robaky ny bala ny tratrany ary nahazo ny fony. Basy roa sy vola 12 tapitrisa ariary no lasa tamin’io fotoana io. Nandritra izany fanafihana niharo vono olona izany anefa dia tsy nandray ny andraikiny na nanao izay heriny nanavotra ity lehibeny ny lefiny, izay mpifanila vodi-rindrina aminy. “Nandositra noho ny tahotra ka tsy namonjy akory na dia nandeha tamin’ny birao naka basy sy hanejika ireo olon-dratsy, torak’izany koa ny mpiambina birao « Platon » raha naheno ny tranga nisy dia tsy nivaoka nefa dia nisy basy tany aminy” hoy ny vaovao. Taorian’io zava-nitranga io no nandeha avy hatrany ny fanadihadiana sy ny fikarohana izay nahavanon-doza. “Olona efatra no tratra aloha hatreto izay nampiatrano ireo olon-dratsy telo lahy” raha ny fampitam-baovao hatrany. Mbola tsy voasambotra kosa ireo tena ati-diha nikotrika izany vono olona izany ary mbola mitohy ny fikarohana azy ireo. Niantefa tany amin’ireo zandary niasa koa ny fanadihadiana tamin’io fotoana io, ka izao nahavoasaringotra ireto mpitandro filaminana roalahy ireto. Anterina hoy ny vaovao fa mahavoasazy araka ny fehezan-dalana famaizana eto amintsika ny fijerena fotsiny olona tra-doza.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici