- Publicité -
lundi, août 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanondranana olona any Arabia Saodita : Ampandoavina 2 000 000 ariary isan’olona...

Fanondranana olona any Arabia Saodita : Ampandoavina 2 000 000 ariary isan’olona ireo vehivavy voajaiko

Loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny SCESLFD etsy Anosy ny fisian’ny tambajotra mpanondrana vehivavy hiasa any amin’ireo firenena Arabo toa an’i Koweit sy Arabia Saodita eto Antananarivo. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny polisy ka olona 05 tompon’antoka tamin’ilay fanondranana olona sy vehivavy miisa 03 saika haondrana an-tsokosoko tany ivelany no voasambotra tetsy Anosy, Ampitatafika ary Itaosy hatramin’ny alarobia 31 martsa 2021 lasa teo. Tamin’ny fanadihadiana ireto telo vavy ireto dia nanambara izy ireo fa avy any amin’iny faritra Andapa iny no fiaviany. Vehivavy iray no tonga niantso sy nandresy lahatra azy ireo tany an-toerana mahakasika ny fisian’ny asa any ivelany ka naharoboka azy ireo. Mbola io vehivavy io ihany no nitondra sy nampiantrano azy ireo teto an-drenivohitra ary anisan’ny nikarakara ny antontan-taratasy hosoka maro entina hamitahana ny fanjakana malagasy mahakasika ny anton-dian’izy ireo any ivelany. Vitan’ireo mpanondrana avokoa ny namorona karapanondro, kopia ary pasipaoro hosoka ho azy telo vavy. Nampandoavin’ireo olon-dratsy vola mitentina 2.000.000 ariary avy ireto tovovavy ho saran’ny fandefasana azy ireo, hono. Saika halefa etsy amin’ny Nosy Comores moa izy telo vavy izao tratra izao. Ao Comores indray izy ireo no efa misy olona mandray an-tanana ka mandefa azy any Arabia Saodita sy Koweit. Taratasy hosoka marobe no tra-tehaky ny Polisy tao amin’ny tranon’ireto mpanondrana olona ireto. Nahitana fitombokasen’ny Ambasady atsy Comores ihany koa tao amin’izy ireo. Mbola maro ireo mpiray tsikombakomba tamin’ireto olon-dratsy karohina mahakasika izao raharaha izao. Natolotra PAC etsy 67ha ny zoma 02 aprily 2021 ny raharaha ka ny telo tamin’ireo voarohirohy no naiditra am-ponja vonjimaika. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny roa. Marihina fa efa mpamerin-keloka ireto olona voasambotra ireto.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici