Heloka bevava intelo miantoana no nataon’ilay rangahy. Tsy fanafihana na fandrobàna na koa asan-dahalo fa kosa famonoana ho faty ny vadiny rehetra ary koa ny rafozan-dahiny. Toa izao ny zava-bitany. Niditra am-ponja voalohany izy ny taona 2004 rehefa maty novonoiny tamin’ny kenda ny vadiny voalohany. Folo taona taty aoriana, rehefa nivoaka ny fonja izy ny taona 2014, iray andro taorian’izay dia mbola novonoiny ho faty koa ny raim-badiny, izany hoe ny rafozan-dahiny. Mitovy ny fomba nanalany ny ainy dia avy amin’ny alàlan’ny fanakendana izany. Ny 15 martsa lasa teo izy no nahavita sazy indray ary nivoaka ny fonja arak’izany. Iray andro monja taorian’ny nahazoany fahafahana, ny nataony voalohany dia nitady ny vadiny faharoa ary ny namono azy ho faty. Tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahabako no nisehoan’ity tranga hafahafa ity, raha araka ny tatitry ny polisy. Tamin’ny fotoana nisamborana ilay rangahy dia mbola nahitàna karazana ody gasy niaraka taminy. Ny fihevitry ny maro dia nobaikon’ny ody notazominy ity rangahy mpamerin-keloka ity. Amin’ny lafiny siantifika indray anefa dia azo heverina fa mety ho tsy salama saina izy. Na inona anefa mety ho antony, ny tsy azo ihodivirana dia loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina izy matoa nahavita heloka bevava telo samihafa. Efa nosamborina ary naverina am-ponja indray…
D.R