- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAnosibe : Zaza nisy nangalatra, ny lohany sisa no hita

Anosibe : Zaza nisy nangalatra, ny lohany sisa no hita

Zazakely iray volana sy tapany, izany hoe mbola menavava. Izany no hitan’ny olona tetsy Namontana-Anosibe ny zoma lasa teo. Tsy vitan’izany fa ny lohany sisa no hita, izany hoe norasarasaina ny vatan’ilay tsy manan-tsiny raha toa ka tsy nohanin’ny biby. Koa satria mbola azo nofantarina ny tarehiny dia nisy ny fanadihadiana nisokatra ary nivoaka tsikelikely ny mahakasika ity zaza ity. Nisy ny fampitam-baovao fa zaza very ny voalohan’ity volana ity izy ary nanaovana antso avo (ombay mitady) ny fitadiavana azy. Niaraka tamin’ny reniny izy tetsy Analakely ary nisy mpiasa an-trano iray niaraka tamin’izy mianaka. Nandeha taxi ary rehefa teo amin’ny fitoeran’ny fiara tetsy amin’ny Ambodifilao dia nivoaka ny reniny mba hiantsena vetivety ary ilay mpiasa an-trano kosa no nitaiza ny zaza tao anatin’ny fiakaretsaka. Akory ny hagagana rehefa niverina fa tsy tao intsony ny zaza. Nanomboka teo dia tsy hita intsony ilay zaza mandra-pahatongan’ny zoma lasa teo. Tsy nisy intsony na vatana aza. Loha sisa no naterina tao amin’ny tranom-patin’ny Hjra. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana izay nosokafan’ny polisy misahana ny heloka bevava. Hatreto mantsy dia azo heverina fa novonoina io tsy manan-tsiny io. Tsy vitan’izay koa fa nisy harena very, vola an-tapitrisany maro sy firavaka volamena, raha araka ny fanampim-baovao. Mendrika ny hokarohina, hatao hazalambo ny tompon’andraikitra amin’ity heloka bevava ity ary hosaziana faran’izay mafy…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici