Nampiaka-peo, raha ny vaovao hita miely eraky ny tambajotra sosialy, ny mponina ao amin’ny kaominina Belobaka, indrindra fa ny tao amin’ny tanan’Antsatratokana, ny amin’ny tsy tokony handevenana ireo olona namoy ny ainy, noho ny valan’aretina Covid-19, any amin’izy ireo. Voalaza rahateo ihany koa fa zara raha misy tany, ahafahana manitrika ireo razana ireo any amin’io toerana io. Misedra olana tanteraka araka izany ireo mponina ao an-drenivohitr’i Boina ao, indrindra fa ireo fianakaviana namoy havana, noho ity areti-mandoza ity, noho izay toe-javatra izay. Atsy ho atsy, hoy ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, dia tsy hisy intsony tany handevenana ireo maty, raha mbola mitohy. Hatreto mantsy dia nifindra eny amin’ny Croisement Bônamary indray no atao izany fandevenana izany, kanefa raha ny voalaza hatrany dia efa manomboka ho feno ihany koa izany. Ary ny loza dia toa hoe efa tafiditra anaty tokotanin’olona ny sasany. Efa mikaro-bahaolana mahakasika ity tsy fisian’ny tany handevenana intsony ity ireo tompon’andraikitra isanisany any an-toerana, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny namany any an-toerana hatrany. Fantatra fa toa efa misy mihitsy aza moa tanim-panjakana nomanina ho amin’izany, saingy mbola miandry valin-teny avy any ambony. Raha ny vaovao hatrany dia tsy mitsaha-mitombo ireo olona lavon’ity aretina ity any an-toerana ary saika misy foana isan’andro.
m.L / Tantely Vandriam