- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFitaterana eto Toamasina : Mitaky ny fahafahany miasa hatrany ireo mpitatitra eny...

Fitaterana eto Toamasina : Mitaky ny fahafahany miasa hatrany ireo mpitatitra eny amin’ny zotra RN2 sy RN5

“Tena midi-trosa natao ny taon-dasa tsy nahafahana niasa nandritra ny fito volana izahay izao, ka mangataka ny mba hiasa fa tsy hitanay intsony ny atao amin’ny volan’ny olona aminay…”, izay no nambaran’ireo mpitatitra manao ny zotra lalam-pirenena faha-05 mihazo an’ny Fenerivo atsinanana sy ny manodidina azy, sy ny lalam-pirenena faha-02 mihazo an’ny faritra Alaotra-Manogoro. Raha ny fanazavan’izy ireo dia manaiky ny hidiran’izy ireo any amin’ireo faritra roa ireo ny governoran’ireo faritra ireo, saingy ny fahafahana miasa omen`ny governoran’ny faritra atsinanana no andrasan’izy ireo amin’izao fangatahany hiasa izao. Vokatr`izany dia nisy ny fangatahana napetrak`izy ireo omaly alatsinainy 12 avrily tolakandro tao amin’ny governoran`ny faritra atsinanana mikasika izany, eo koa ny eo amin’ny lehiben’ny CRCO azy eto anivon’ny faritra atsinanana. Mbola ho sarotra anefa ny an’ny governora ny hanomezana izany alalana izany na tsia, satria fanapahan-kevi-panjakana ny hamehana ara-pahasalamana nanapaka ny fizotry ny fifamoivoizana eto amintsika. Raha ny marina izany dia ny prefektiora no tokony hamoaka ny fangatahan’ny olona fa tsy ny governora amin’ny fanapahan-kevi-panjakana azy eo amin’ny maha-solotenam-panjakana ny prefe. Hifarana ny sabotsy izao raha teo ilay fanapahan-kevitra 15 andro noraisina farany, ka ho hita eo na hitohy na tsia ilay hamehana ara-pahasalamana manerana ny nosy noraisina farany teo. Miankina amin’ny fanajan’ny faritra tsirairay ny fepetra sakana ara-pahasalamana ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny fanjakana mandritra ny 15 andro manaraka indray.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici