- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : Antsirabe Ramatoa nofaon'ny môtô, tapa-tongotra sy tanana

VAKINANKARATRA : Antsirabe Ramatoa nofaon’ny môtô, tapa-tongotra sy tanana

Ramatoa iray no niharan-doza omaly maraina teto Antsirabe vokatry ny fihetraketrak’ireny môtô scooter ireny. Tapaka tongotra aman-tanana ilay ramatoa raha toa ka tsy nanina loatra ilay mpitondra môtô. Teo anoloan’ny hôtely Baobab no nitranga ny loza omaly tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany. Avy any atsimo ilay môtô izany hoe ho any Antsenakely. Voalazan’ny nanatri-maso fa nandeha mafy ilay mpitondra môtô. Nisy tsy fahatomombanana anefa ny môtô raha ny filazan’ny olona nahita satria niraikitra ny familiana ary tsy voafehin’ny mpitondra azy intsony. Bus iray teo alohany aloha no saika noraofiny avy aty aoriana saingy afaka tamin’iny ranamana, tany amin’ny sisin’ny arabe no nifatratra ary nifaoka ramatoa iray alohan’ny tena nianjerany. Naratra mafy ilay ramatoa ary nifamonjen’ny olona noentina namonjy toeram-pitsaboana. Ireo nibata ilay ramatoa no nahatsikaritra fa nisy tapaka ny hato-dongotr’ilay ramatoa sy ny sandriny ankoatra ny ratra majinika nahazo azy. Tsy dia naninona loatra kosa ilay nitondra môtô na dia nisy ratra ihany aza nahazo azy.

Andry N.

Ambano antsirabe II : Vatsy tsinjo, misy ampaham-bola vidim-bokatra tsy nomen’ny fanjakana

Diso fanantenana tamin’ny fanjakana ireo tantsaha sasany avy ao amin’ny kaominina Ambano Antsirabe II fa mbola ananan’izy ireo vola ny fanjakana, vidina vokatra natao vatsy tsinjo tamin’ny taona lasa ka tsy mbola voaloha hatramin’izao. Raha tsiahivina fohy, isan’ireo faritra nisitraka ny vatsy tsinjo ny faritra vakinankatra saingy ny vokatra teto ihany no nambaran’ny filoham-pirenena fa hovidiana amin’ny vidiny ambonimbony kokoa ka avadika ho vatsy tsinjo. Malaza amin’ny famokarana karaoty sy laisoa ary ovy ny kaominina Ambano, tsy dia lavitra rahateo ny toerana ka nidina teny ifotony ny solontenan’ny fanjakana avy amin’ny faritra nanangom-bokoatra. Tany ampian-dohana, nambaran’ny filoham-pirenana hoy ny tantsaha fa raisina amin’ny vidiny 1000 ariary ny vokatra saingy rehefa tonga teny ny solotenam-panjakana handanja ny vokoatra dia nidina ho 600 ary ny kilao. Teo dia efa kivy ny tantsaha saingy tsy afaka nanao inona satria efa tonga teo andrenivohitry ny kaominina ny vokatra. Tsy nijanona hatreo anefa fa mbola nidina ho 500 ariary indray, izany hoe efa latsaky ny hanangonan’ireo mpanangom-bokatra tsy miankina izany. Nanontaniana momban’ity raharaha ity ny ben’ny tanana tao an-toerana ary nanambara mazava fa tsy misy hidiran’ny kaominina io resaka io fa ny fanjakana mivantana no tompon’andraikitra, ary olona avy ao amin’ny faritra no tazana nanao ny fanangonam-bokatra tamin’izany. Mpamboly karaoty iray no nijoro vavolombelona fa mbola misy ampaham-bola vidin’ny karaotiny no tsy azony intsony mandraka ankehitriny. Nanambara moa ny tantsaha fa tsy hanome ny vokatr’izy ireo intsony raha tsy mitazona ny teny nomeny ny fanjakana.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici