- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversATSINANANA : Toamasina renivohitra Mihidy ho an’ny daholobe ny moron-dranomasina

ATSINANANA : Toamasina renivohitra Mihidy ho an’ny daholobe ny moron-dranomasina

Nandray fepetra ny Emmo-Reg miara-miasa amin’ny polisy monisipaly amin’ny fanakatonana ho an’ny daholo be ny moron-dranomasina ny alahady teo. Izany no natao vokatry ny gaboraraka nataon’ny tsirairay ny alatsinainin`ny paska teo teto Toamasina, izay nameno iny moron-dranomasina iny tamin’ny fahamaroan’ny mpitsangatsangana. Mikatona avokoa ny lalana rehetra mihazo ny moron-dranomasina, eo ny lalana Tanamakoa, ny lalana Tanambao V, ny lalana Tanambao II, ny lalana Anjoma, ary ny lalana Cité Canada. Nihidy niaraka tamin’izany dia ny araben’ny fahaleovan-tena izay maro olona isika ny alahady fitsangatsanganana iny. Manomboka izao hoy ny Emmo-Reg miaraka amin’ny polisy kaominaly, dia mikatona ho an’ny rehetra ny moron-dranomasina, hisy isaky ny faran’ny herinandro ny sakan-dalana hisorohana ny fihanaky ny coronavirus amin’ny fitangorongoronan`ny olona. Ny tanjona dia ny tsy hidirantsika amin’ny fihibohana aorian’ny 15 andro nomen’ny filoham-pirenena amin’izao hamehana ara-pahasalamana sy ny fihidian’ny faritra atsinanana izao.  Tsy misy ny fandeferana amin’izay tsy manaja ny lalàn’ny fahasalamana noho ny coronavirus, fa tsy maintsy ampiharina ny lalana amin’izy ireo. Tampoka ho an’ny daholo be ny fepetra noraisina, nefa hetsika mahomby amin’ny fiarovana ny fihanaky ny covid-19, ka maro ireo sahirana tamin’ny fitadiavana ny lalan-kombàna.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici