Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray ny mpivarotra hody avy ao amin’ny “Bazar Dépôt” ny sabotsy hariva teo. Raha ny fanazavana dia tokony tamin’ny 06 ora sy sasany hariva teo no nitranga ity fanafihana ity, ka mpivarotra vao herotrerony manodidina ny 30 taona eo no voatifitra teo amin’ny tratrany. Efa niezana nitondra ny vadiny teny amin’ny toeram-pitsaboan-dry masera eny Batainomby ilay ramatoa, saingy teny an-dàlana no tsy tana intsony ny ain’ity tovolahy ity. Araka ny fanazavana ireo olona nahita ity tranga na fanafihana mitam-piadiana ity, andeha hody nitaingina môtô scooter ity rangahy maty ity sy ny zanany roa. Vao hiaingana anefa izy ireo dia nigadona ireto jiolahy roa nanambana basy azy, sy nilaza ny hamelany ny sakosy misy ny vola matin’izy ireo amin’ny varotra ambongadiny sy antsinjarany ataon’izy ireo. Tsy tapitra izay dia nipoaka ny basy ka teo no hita fa voatifitra ilay rangahy, ny zanany roa kosa tsy naninona. Tsy fantatra mazava ny sandan’ny vola lasan’ireto andian-jiolahy ireo, fa ny vola maty rehetra niaraka tamin’ny fanalahidy ny trano sy ny fivarotana no lasan’ireto jiolahy tany anaty ny sakosy nisy ny vola. Eny Depôt moa no mipetraka izy mivady tanora ireto, saingy ao amin’ny Bazar Dépôt mifanila amin’ny APMF kosa izy ireo no mivarotra. Namela kamboty roa sy mananon-tena iray ity tovolahy vao herotrerony maty voatifitry ny jiolahy mpandroba ity. Niatrika ny zava-nisy ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra, tarihan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, izay nilaza fa tsy ho hitan’izy ireo ny andian-jiolahy nahavita izao heloka be vava izao, satria efa fantapantatray ireo andian-jiolahy nahavita izao fanafihana izao. Nampitandrina ny rehetra ihany koa ny kaomisera Rakotovao Jean Christian mba ho mailo amin’ny fitondrana vola mody avy mivarotra hariva ity, satria tsy kely lalana ny ratsy ary efa misy ny jiolahy manara-maso fotsiny mandritra izany rehetra izany.
Malala Didier