- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFitondrana razana nivoaka ny faritra : Tsy mahazo mandeha ireo tsy manara-dalàna

Fitondrana razana nivoaka ny faritra : Tsy mahazo mandeha ireo tsy manara-dalàna

« Voninahitry ny velona ny maro mpanotrona, ary voninahitry ny maty ny maro mpandevina … » Angamba ho asiam-panovana tanteraka izay fomba fiteny izay amin’izao. Nampihetsi-po ny maro loatra ilay sary niparitaka tamin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy, izay maneho ireo fianakaviana mana-manjo, nandohalika, tsy lahy tsy vavy, teo anoloan’ireo mpitandro filaminana, omaly tetsy amin’iny lalam-pirenena fahafito iny, toerana manasaraka ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra. Hentitra anefa ireo mpitandro filaminana amin’ny fampanajàna ireo fepetra rehetra noraisin’ny Fanjakana, entina hisakanana ny fiparitahan’ity valanaretina mampidi-doza eto amin’ny firenena ity. Ary tsy misy indrafo na amin’iza na amin’iza. « Efa voalaza aloha fa tsy mahazo mivoaka ireo faritra mihidy, anisan’izany ny eto Analamanga, ireo razana rehetra izay voamarina na ahiahiana fa voan’ny Covid-19. Etsy andanin’izay, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena, izay niarahan’ny rehetra naheno dia tsy tokony hihoatry ny folo ireo mpandevina. Hany ka voatery izahay nanajanona azy ireo » hoy ny fanazavàna azo avy amin’ny Kaomandin’ny Vondro-tobim-pileovana Analamanga omaly. Raha ny nambarany, amin’ny toe-javatra tahak’ireny dia asaina manaraka ireo fepetra ireo mpandevina, asaina miverin-dàlana izy ireo na eo amin’ny toerana nahatratrarana azy ireo ihany no alevina ny razana. Etsy andanin’izay moa, ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia nanamafy hatrany fa « ao anatin’ny ady ny firenena ankehitriny, koa tsy andeferana izay minia tsy manaraka ny fepetra. Arovy ny tenanao hiarovanao ny mpiray tanindrazana ». Fa ankoatr’izay resaka fanaterana razana izay dia anisan’ny olana goavana iray sedrain’ireo tompom-pahoriana ihany koa ny toerana hanitrahana ny vata-mangatsiakan’ireo havany lavon’ity areti-mandoza ity, toy izay nitranga ao an-drenivohitr’i Boina ao, izay heverina fa atsy ho atsy dia mety hahakasika ireo faritra maro eto amintsika. Raha ny ao Mahajanga manokana dia eo am-pandinihana tanteraka ny hanaovana « fosse commune » ireo tomponandraikitra, araka ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici