Tato ho ato izay, saika namono olona foana ny lalam-pirenena, noho ireo lozam-pifamoivoizana nisesisesy izay. Ny Sabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny 4ora tany ho any, teo amin’ny fiolahana hiditra ny tanànan’i Carion iny. Taksibrosy «mazda » handeha hoany Amparafaravola no niharan-doza. Araka ny tatitry ny mpitandro filaminana dia somary nandeha mafy ity fiara ity, ka tsy nahatana ny familiana intsony ny mpitondra, ary dia namantana teny an-tanimbary. Vokany, olona roa no namoy ny ainy. Lehilahy ny iray ary vehivavy mbola nitaiza kely, kosa ny iray. Saingy tsy naninona io zaza io araka ny filazan’ny fianakaviany. Saika nahitana faharatrana avokoa ireo mpandeha tao anatin’ity fiara ity, saingy misy telo amin’izy ireo no tena voa mafy ary voatery nampiakarina taty an-drenivohitra. Ireo sisa hafa kosa dia nalefa notsaboina tany Manjakandriana.
Fa mbola loza vokatry ny tsy fitandremana sy fandehanana mafy hatrany. Taxibe iray, mampitohy an’Antananarivo sy Ivato no nivadibadika tetsy amin’ny Digue, sampanana ho any Ambohitrimanjaka iny, omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora. Tsy nisy aloha ny aina nafoy, na izany aza, nahatratra 18 ireo mpandeha naratra, izay voatery nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny vaovao voaray dia fantatra fa vokatry ny fandehanana mafy ihany koa no nahatonga ny loza. Ireo nahita ny loza, nitantara fa efa nifanenjika tamina taksibe iray avy Ivato io fiara niharan-doza io. Ny filazana avy amin’ny mpitandro filaminana ihany koa nahafantarana fa somary namofon-toaka ny mpamilin’io fiara io. Ireo mpandeha amin’ity zotra ity, efa tsy sasatry ny mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpamily sy mpanampin’ny mpamily. Ambonin’ny fandehanana mafy, izay mety hitera-doza mantsy dia malaza amin’ny tsy fanajàna mpandeha ihany koa ry zalahy ireo.
m.L