- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMahavoky : Feno mpitandro filaminana, fa saika hisy fanafihan-jiolahy

Mahavoky : Feno mpitandro filaminana, fa saika hisy fanafihan-jiolahy

Fa nisy inona ? Saika nihorohoro avokoa ireo mpanao zoma manifika, nanamafy ny hidin-tranony ireo mponina, teny amin’ny faritra Mahavoky sy ny manodidina iny, ny zoma alina, tokony ho tamin’ny 8 ora teo ho eo. Mpitandro filaminana, mirongo sy mandrangaranga basy, manao sarontava sy be fiavy, tamina fiara roa, no nigadona teny an-toerana. Toy ireny any amin’ny tany miady ireny mihitsy, raha ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana. Rehefa avy nihodina sy nijerijery teny akaikina banky iray, teny an-toerana ireto mpitandro filaminana misarontava ireto dia nijanona, teo amin’ireo trano fisotroana teny an-toerana ihany. Araka ny filazan’ny iray tamin’ireo mpivarotra ireo dia nanontany ny fisian’izany « bar lovasoa » izany ry zareo ireo, izay tranombarotra tsy misy eny an-toerana, raha ny fitantaran’ity tompona trano fivarotana ity hatrany. Tsilian-tsofina avy amin’ireo mponina ihany koa nandrenesana fa talohan’izay dia nisy andian-dehilahy, nivorivory teo anoloan’ny banky. Ka ankevitr’ireo angamba no notadiavin’ireo mpitandro filaminana am-polony maro. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana indray dia « fausse alerte » ihany izy io. Nisy antso azon’izy ireo mantsy fa hoe misy andian’olona mitady hanafika amin’ny iray amin’ireo tranombarotra, izay tsy fantatra mazava na « épicerie » na « bar » teny an-toerana. Manamarika ny fahavononan’ireto mpitandro filaminana, hanohitra izay mety korontana hisy ihany ity tranga teny an-toerana ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser