Araka ny tatitra nataon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena dia fantatra fa anjatony mahery indray no tratran’izy ireo, tsy nanaja ny fepetra efa noraisina, tsy hiparitahan’ity valanaretina mampidi-doza eto amin’ny firenena ity, raha ny teto an-drenivohitra manokana, omaly, hatramin’ny 12 ora atoandro. Manoloana ity ady iombonana amn’ny fahavalo tsy hita maso ity tokoa mantsy dia manohy hatrany ny hetsika manokana entina hitsirihana ireo olona mbola tsy manaja izay fepetra izay ny polisim-pirenena, indrindra fa ny eto an-drenivohitra, izay hitambaran’ireo kaomisaria foibe telo : ny eto Antananarivo renivohitra, ny any Atsimondrano ary ny eny Avaradrano. Ireo mpandeha ao anaty fiara fitaterana no tena tilian’izy ireo sy nanaovana fanaraha-maso manokana. Araka ny tatitra voaray hatrany dia nahatratra teo amin’ny 276 ireo taxibe no narahi-maso manokana. « Tao anatin’izany ary dia olona miisa 161 no tratra tsy nanaja ilay fanaovana ny aro vava-orona. Raha ny teo anivon’ireo kaomisarian’ny boriborintany miisa valo sy ny PPA miisa efatra eto an-drenivohitra dia nahatratra 117 ireo nampanaovina asa iraisana ho an’ny tombotsoan’ny daholobe. Teo anivon’ny Kaomisarian’Alasora dia miisa 15 izany. Teo anivon’ny Commissariat Central Avaradrano dia taxibe iray tamin’ireo izay nanaovana fanaraha-maso no nahitana olona tsy nanaja ny fanaovana aro vava-orona. Nasaina namita ny asa iraisana ho an’ny tombotsoan’ny daholobe arak’izany ireo olona 16 tratra. Ny teo anivon’y Commissariat Central Atsimondrano kosa dia taxibe miisa 24 no nahitana olona 16 tsy nanao arovava orona ary taxibe miisa fito kosa no nahitana olona 12 tsy nanao arovava orona tany Sisaony » araka ny voarakitra ao anatin’izany tatitra izany. Mbola maro amin’ireo olona tokoa no mihevitra angaha fa hanihany na tsy zavatra tsy misy ity areti-mandoza, efa nandringana olona an-jatony eto amintsika ity ? Ny zava-misy mazàna dia ireo mpitandro filaminana indray no ahatahoran’ny olona mihoatry ny aretina, hany ka tsy atao mahagaga raha tsy mitsaha-mitombo ireo voa. Amin’ny resaka fitaterana aza moa, efa napetraka izao ny fepetra fa mihidy ny faritra Analamanga ary tsy misy afaka mifamezivezy, mbola mahita hirika hatrany, na ny mpandeha na ny mpitatitra, hihoarana izay fepetra izay, raha ny zavatra hita, manodidina an’iny Fasan’ny karàna iny.
m.L