Miteraka olana ho an’ireo mpandeha mihazo iny tanànan’i Soanierana Ivongo iny, satria tapaka ny lalana nanomboka ny omaly alarobia, eo amin’ny tanàna antsoina hoe Menatany amin’iny lalam-pirenena faha-05 miditra ny Soanierana Ivongo. Nihotsaka tanteraka ny lalana amin’izao vokatry ny orana mikija tato ho ato, nefa dia 03Km sy 400m tsy hidirana ny kaominin’i Soanierana Ivongo ity lalana nihotsaka ka tapaka ity.
Vao tapaka anefa ny lalana ny alarobia teo, efa nisy ihany ny fahasimbana tao ho ao izay vokatry ny rivodoza sy ny orana, dia niakatra ho 6.500 ariary ny saran-dalana raha tsy nisy afa-tsy 5.000 ariary izany vao haingana teo, tonga hatreo amin’ity lalan-tapaka ity miainga ao Fenerivo atsinanana. Efa misy fiara miandry kosa ireo tavela tany Soanierana Ivongo mitondra hatreny an-tampon-tanàna ka 1.500 ariary ny sarany ao anatin’ny 03Km sy 400m monja.
Tsy maintsy hamboarina haingana ny fahasimbana araka ny nambaran’ny governoran’ny faritra Analanjirofo hialana amin’izao fahasahiranan’ny olona amin’ny fitaterana izao. Nidina ifotony nijery ny fahasimbana mihitsy ny governora ny faritra Analanjirofo ,ny Dr Randriamanantena Marcellin, ny alarobia misandratra andro teo.
Malala Didier