Tsy nikely aina tokoa ireo andiam-pitandro filaminana, tany amin’iny faritra Menabe iny, nanao izay tratry ny herin’izy ireo nanavotana ireto olona efa-mianaka, vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany ary lehilahy roa, nalain’ny dahalo an-keriny, tao amin’ny kaominina Manambina, distrika Miandrivazo, ny voalohandohan’ny herinandro teo.
Araka ny fanazavàna azo, avy amin’ny kaomandin’ny Vondrotobim-pileovan’ny zandary ao amin’ny faritra Menabe dia omaly tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any no avotra soa aman-tsara teo am-pelatanan’ireo malaso nitazona azy izy efa-mianaka ireto. Talohan’izay anefa, raha ny vaovao azo hatrany dia nisy ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny roa tonta, andaniny ireo andiam-pitandro filaminana ary ankilany ireo andian-jiolahy. Resy tosika tao anatin’izay ireo olon-dratsy ary namotsotra ireo hazany. Hatreto kosa anefa aloha, tsy mbola fantatra izay voasambotra tamin’ireo olon-dratsy. Izy ireo rahateo mbola an-dalana hihazo tanàna izay lavitra dia lavitra ihany. « Ny zava-dehibe aloha, hoy hatrany ity manamboninahitra ity dia avotra soa aman-tsara izy efa-mianaka ireto. Tsy nisy naninona ary tsy nisy nanombinana fa salama tsara »
Raha tsiahivina ny zava-nisy, ny alahady teo, dahalo maherin’ny efapolo tany ho any nanafika tokantrano mpivarotra iray tao amin’ny tanànan’ i Marolefo Fira-ambany, ao amin’ny kaominina voalaza etsy ambony. Tsy nionona tamin’ny entana maro dia maro lasan’izy ireo tao amin’ity tsena ity anefa ireo olon-dratsy fa mbola nitondra ireo tompon-trano telo mianaka an-keriny. Nitaky vola 20 tapitrisa ariary izy ireo, ho tambin’ny famotsorana ireto olona ireto, ary nanome fotoana sy toerana, hanaovana ny fanakalozana. Niezaka nanangona io vola io ireo fianakaviana saingy tsy nahita afa-tsy telo tapitrisa ariary. Naterina tany amin’ny kizo iray antsoina hoe Ambararata io vola io ary lehilahy roa no nanatitra azy tany. Navotsotr’ireo olon-dratsy tamin’izay ilay raim-pianakaviana saingy notazomin’izy ireo niaraka tamin’ilay ramatoa sy ny zanany ireo roalahy nitondra ny vola, ho fanasaziana tamin’ireo vola tsy ampy ary mbola mitaky ilay roapolo tapitrisa ho famotsorana azy efa-mianaka. Nanomboka teo no niditra an-tsehatra ireo zandary tany an-toerana, nampian’ireo tompon’andraikitram-panjakana isan-tsokajiny ary dia izao niafara tamin’izao fanavotana azy efa-mianaka soa aman-tsara izao. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana any an-toerana ary heverina miaraka amin’izay ny fikarohana ireo tompon’antoka tamin’ity fakàna an-keriny ity. Tsiahivina fa nihanahazo vahana tokoa ity fakàna takalonaina sy fitakiana vola ataon’ny dahalo ity tato ho ato izay. Soa fa teo hatrany ireo mpitandro filaminana, mampadamoka ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy, toy ity tranga ity sy ilay tany Brieville Tsaratanàna.
m.L