Nahazo vokatra roa be izao ny vondrompileovan’ny Zandary Atsinanana ny faran’ny herinandro teo. Saika mpamaky trano sy mpanendaka ary mpanao fanafihana mitam-piadiana ireto tratran’izy ireo tamin’izany, na teo aza ny fampiasana basy PA kilalao sy bala tsy izy ho an’ny sasany nandritra ny vaky trano sy fanafihana nataony.
Voalohany tamin’izany ny tranga tao amin’ny fokontany Vohimbendrana ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Antetezambaro Toamasina II. Nisy fanafihana mitam-piadiana nataon’ireto andian-jiolahy valo tany an-toerana, ary matetika ny fanaovan’izy ireo izany ao amin’ny fokontany Vohimbendrana ity. Vokany! Niantso zandary ny fokonolona mba hisahana izany fanafihana mpitam-piadiana lava izany, na misy aza ny lakazerin’ny fampianarana ny fandraharahana ny fonja ilay toerana. Natao ny sava hao ka tratra tamin’izany ny toerana fiafenan’ireto andian-jiolahy valo mpanao fanafihana sy vaky trano ireto, ka enina mirahalahy ny voasambotra nandritra izany niaraka tamin’ireo entana maromaro avy nangalarina; isan’izany ireo entam-barotra, ny “panneau solaire”, ary hafa samy hafa… Sarona ihany koa ny basy kilalao sy ny bala tsy izy fampiasan’izy ireo entina ampitahorana ireo horavana. Tratra ihany koa basy fihazana “calibre 26” fitondran’izy ireo.
Faharoa tamin’ny asa vitan’ny zandary koa ny fahatrarana ireo tanora 05 lahy tamin’ireo 08 nanafika mpampianatry ny Oniversite hody tao Ambalamanasy Toamasina suburbaine. Nambanan’ireto tanora ireo ny antsy ilay mpampianatra ary nampitahorin’izy ireo ny basy “alarme” teny aminy ihany koa; ka lasan’izy ireo ny moto nentin’ilay mpampianatra nandritra izany. Niantso zandary avy hatrany ilay mpampiantry ny oniversite voarava, ka raha natao ny sava hao ny tanàna nitsoahan’ireto andian-jiolahy ireto, dia tratra tao anatin’ny trano iray ny 05 lahy tamin’ireo 08 ka mbola karohina ny ambiny 03. Tratra tao an-trano koa ny moto halatra nataon’izy ireo, ka tsy afaka ny nandà ho tsy nanao ny fanafihana izy rehetra. Hiakatra fampanoavana ny alatsinainy na ny talata izao izy 11 lahy tratran’ny zandary ireto, mba hamantarana ny sazy ho azon’izy ireo alohan’ny fitsarana ny raharaha.
Ankoatra izany dia afaka miantso ny laharana Telma 119 maimaim-poana sy ny laharana 0342014597 ireo mila vonjy amin’ny zandary. Efa manao ny ezaka amin’ny fanaraha-maso ireo ambaran’ny zandary fa faritra saro-pady amin’ny mponina izy ireo ankehitriny, ka isan’ny voalaza tamin’izany ny ao Morarano akaiky fiangonana FLM sy ao Andranomadio P/elle 11/46-47, fa maro ny antso voarain’izy ireo fa mateti-piavy ny mpamaky trano sy mpanao fanafihana an-trano amin’ireo toerana ireo izao.
Malala Didier