- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilCOVID-19Ady amin’ny Covid : Olona maherin’ny 12.000 no nosaziana

Ady amin’ny Covid : Olona maherin’ny 12.000 no nosaziana

Tao anatin’ny iray volana, izay nisian’ny ady tamin’ny firongatry ny valan’aretina Covid-19, sy nanentanana ny olona ny amin’ny tokony hanajana ireo fepetra fiarovana dia fantatra fa olona manodidina ny 12.000 teo ho eo no voatery nosaziana, noho ny tsy fanarahan’izy ireo izay fepetra izay, manerana ny Nosy, araka ny fampahafantarana nataon’ny pôlisim-pirenena. Nosaziana nampanaovina asa iombonana ho tombotsoan’ny daholobe moa izy ireo.

Tsy miraviravy tanana ny eo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka, hoy izany fampahafantarana izany, fa niezaka nandray andraikitra amin’ny fampanarahana ny olom-pirenena ny fepetra tokony hatao (…). Ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Vakinankaratra no anisan’ny nanaovan’ny Polisim-pirenena fanentanana be indrindra”. Fantatra fa tao anatin’izay iray volana maninjitra izay, dia olona 16.319 sy taxibe 9427 no nanaovana fanentanana, raha teo amin’ny faritra Analamanga fotsiny. “Olona miisa 3460 no nanaovana fanentanana tao amin’ny faritra Vakinankaratra, ary 2344 tao amin’ny faritra Atsinanana. Nampanaovina TIG na asa iombonana ho an’ny tombotsoan’ny be sy ny maro ireo izany tena ninia tsy nanao arotava. Teto Analamanga dia olona 7963 no nampanaovina izany, tao amin’ny faritra Atsinanana dia 3040 ny olona tratra tsy nanao arotava ka nosaziana. Miisa 321 kosa izany tao Vakinankaratra. Tany amin’ny faritra hafa kosa dia nomen-danja hatrany ny fanentanana ny vahoaka. Tao amin’ny faritra Menabe dia olona 450 no nanaovana fanentanana, fiara 100 no nanaovana fizahàna manokana ary olona miisa 200 no nampanaovina asa iombonana . Raha tao amin’ny faritra Betsiboka kosa dia 390 no nosaziana hanao nanao asa iombonana, 280 izany tao amin’ny faritra Ihorombe. Na dia mbola tsy vita soritra amin’ny faritra hafa aza ilay valanaretina dia nanomboka tamin’ny fanasaziana ireo tsy manaraka fepetra ny Polisim-pirenena. Anisan’izany ny tao amin’ny faritra Anôsy ka olona miisa 45 no nampanaovina asa iombonana , 36 kosa no tratra tsy nanao arotava tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ka nampanaovina asa iombonana ihany koa”, hoy hatrany ny fanazavàna azo. Mbola mitohy hatrany moa izay fanentanana sy fampanajana ireo fepetra, hisorohana ny fiparitahan’ity aretina ity, izay tsy mitsaha-miakatra tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici