Olona telo antsoina hoe Egoly, Sigara ary Tsibody no maty voatifitry ny zandary tany Toliara omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora teo. Araka ny fanazavana, teny an-dalana handeha hisambotra olona iray antsoina hoe Danima, izay tompon’antoka tamin’ny famonoana olona iray tao hoe Gorily izy ireo. Ny 9 avrily lasa teo no nahafaty io olona io. I Danima kosa no voalaza fa mpaniraka olona haka taovan’olona. Omaly maraina tokony ho teo amin’ny 5 ora teo, raha handeha hisambotra io olona voalaza io ny zandary fito avy ao amin’ny kaompania Toliara niaraka tamin’izy telo lahy izay olona voatonona ho namono an’i Gorily, izay milaza ho mahita ny tranon’i Danima. Rehefa tonga teny Ambiriky dia nilaza ireo olona ireo fa tsy hita tao ilay olona tadiavina fa any Ambohimahavelo no ahitana azy. Nizotra nakany Ambohimahavelo izy ireo sy ny zandary ka teny an-dalana no nangataka hanao maloto i Sigara, tokony ho 10km miala ny Ambohimahavelo. Nanararotra an’io izy telo lahy ka nitsoaka. Nanao tifi-danitra ireo zandary mba hampijanonana azy ireo fa tsy nety, ka niafara tamin’ny fitifirana azy ireo. Maty tamin’ izany izy telo lahy. Tsy hita ilay nokarohina araka izany, ka mitohy ny fanadihadiana momba azy io, ary karohina fatratra.
Yv Sam