«Namoy mpiara-miasa ny fianankavimben’ny Cisco Anjozorobe. Maty notifirin’ny olon-dratsy androany maraina ny Talen’ny CEG Ambatomanoina», araka ny hita tao amin’ny rindrin’ny Faripiadidiam-pampianarana Anjozorobe omaly maraina.
Mirongatra izay tsy izy tokoa ny resaka tsy fandriam-pahelamana any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, indrindra fa ao amin’ny faritra andrefan’ny renivohitry ny distrika ao. Tamin’ity indray mitoraka ity, teo an-tampon-tanànan’ny kaomininan’Ambatomanoina mihitsy no nanao ny asa ratsy ireo dahalo. Lasibatra tamin’izany ny Talen’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra tao an-tampon-tanàna. Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia tokony ho tamin’ny efatra sy sasany maraina tany ho any no tonga nanafika tao an-tranon’ity mpiasam-panjakana ity ny andian-dahalo vitsivitsy. Niisa teo amin’ny fitolahy teo izy ireo, araka ny nampitain’ny mpitandro filaminana nandray ny fanadihadiana, izay nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa no tonga nanao amboletra tao amin’io trano tao Antsahavola, ao amin’ny fokontany Anosikely io. Ankevitry ny efa fantampantatr’izy ireo mihitsy ny zavatra kasain’izy ireo nalaina, raha ny angom-baovao hatrany. Raha vao tafiditra tao an-trano mantsy izy ireo dia ny toerana misy ny vola avy hatrany no notakian’izy ireo. Heverina ho nisy fifandirana tao ary mety ho tsy nanaiky mora ity talen-tsekoly ity. Tsy nisalasala toraka izany ihany koa ireo olon-dratsy, nampiasa ny basy teny an-tanan’izy ireo. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany, dia bala maromaro no niantefa teny amin’ity raim-pianakaviana 43 taona ity. Mora tamin’ireto andian-jiolahy ireo no nifehy ny trano sy nahita ny toerana nisy ny zavatra notadiavin’izy ireo. Vola manodidina ny efatra tapitrisa ariary teo ho eo mantsy no lasa, raha ny angom-baovao azo omaly hatrany. Rehefa azon’ireo mpanafika ny zavatra notadiaviany dia nitsoaka toy ny tsy teo izy ireo. Taorian’izay kosa vao afaka namonjy ity Tale ity ny rehetra ary nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana, saingy indrisy fa tsy avotra intsony noho ny ratra nahazo azy. Efa eny am-pelatanan’ny zandary any an-toerana moa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
m.L