Famingavingana mpitandro filaminana eo am-panaovana ny asany, mamo mitondra fiara … Ireo no vesatra anenjehana an’ity tovolahy milaza ho fianakavian’ny Jeneraly Ravalomanana, Sekretrem-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, nosamborina tetsy Ambohimangakely, ny zoma hariva teo. «Mitovy ny fampiharana ny lalàna ho an’ny tsirairay, ka na iza na iza, na fianakavian’iza na iza dia eo ambanin’ny lalàna daholo. Ny Jeneraly isany Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena rahateo dia nanome toromarika manokana amin’ny fampiharana ny lalàna amin’ny tranga toy izao», hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Tovolahy iray, nitondrafiara P309, no voasakan’ny zandary tetsy amin’ny PK11, Ambodivoara, fokontanyAndranovao, kaominina Ambohimangakely, ny harivan’ny zoma tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo ho eo. Hita tamin’ny fihetsiny sy tamin’ny alalan’ny fitsirihana nataon’ireo zandary mpisava fa mamo tanteraka ny lehilahy, teo am-pamiliana ity fiara ity. Nasaina nivoaka ny fiara avy hatrany ranamana, kanjo dia izy indray no avovava tanteraka. Nolazainy tamin’izany fa fianakavian’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ny tenany. Izay heveriny fa tsy azo atao na inona na inona. Ambonin’izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao dia mbola namalivaly sy namingavinga tanteraka ireo zandary nanao ny fisavàna ranamana. Teo anatrehan’ny zava-nisy, araka izany, ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ity tovolahy ity, dia nandray fepetra avy hatrany ireo zandary ny hisambotra azy. Notanana avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary ity farany ary nampanokatra famotorana ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary Antananarivo-renivohitra. Atolotra eny anivon’ny Fampanoavana moa ingahirainy, aorian’ny fe-potoana voalazan’ny lalàna ahafahana mitazona azy atao andrimaso eny anivon’ny zandary. Anatra ho an’ireo olona mihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalàna sy fianakaviana na milaza ho mahafantatra olona etsy sy eroa izao, hoy ny fanehoan-kevitry ny rehetra ao anaty tambajotra sosialy ao. Ny irariana dia mba hisy tokoa ny fampiharana ny lalàna fa tsy ny fisamborana no atao manakoako, ny tohiny avy eo anefa, mangina sy any dia tsy hita intsony .
m.L