Tovolahy iray 19 taona hanala fanadinana bakalorea ankapobeny amin’io herinandro ambony io, no namono tena nitelina poizina, ny asabotsy antoandro teo, tao amin’ny fokontany Ampasikibo Toliara. Izy efa nalemilemy sy nivoaka farora-bava no nahataitra ny anabaviny, izay niantso azy hisakafo. Teo vao samy nikoropaka ny rehetra ary nentina haingana namonjy mpitsabo ity tovolahy ity, ka voavonjy ihany. Raha ny fanazavana azo nandritra ny angom-baovao, dia tsy nahitan-teny, tsy nivoaka ny efitranony nandritra ny roa andro ity tovolahy ity talohan’io. Nihevitra ny tao an-trano fa mifantoka amin’ny fianarany izy, manao famerenana. Hay namoy fo noho ny fandaozan’ny sipany azy nikopaka elatra lasa nandeha nanambady vazaha antitra. Vokatry ny famoizam-po dia naleon’ity tovolahy ity nanapitra ny ainy. Mahery ny fitiavana. Raha ny loharanom-baovao azo farany amin’izao ora anoratanay izao dia efa mihatsara ny fahasalamany.
Manitrisa