- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena faha-4 : Mpitaingina bisikleta maty voadonan’ny taksibrosy

Lalam-pirenena faha-4 : Mpitaingina bisikleta maty voadonan’ny taksibrosy

Mila ho isan’andro tato ho ato izay ireo olona namoy ny ainy tamin’ireny lalam-pirenena ireny. Afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka tany ho any, teo amin’ny toerana antsoina hoe Soamiadanana, Kaominina Mahavelona, Ankazobe, tamin’iny lalam-pirenena faha-4 iny, PK 64, mpitaingina bisikileta iray no maty namoy ny ainy rehefa avy nodomina fiara taksibrosy, hiakatra aty Antananarivo. Raha ny fantatra dia vokatry ny tsy fitandremenan’ny mpamily no nahatonga ny loza. Ity toerana ity ihany koa, raha ny vaovao re hatrany, dia nahitana fiholanana ka tamin’izany no nahavoa ilay rangahy. Mafimafy ihany dona nahazo ity rangahy, mpitaingina bisikileta ity, ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana tao Mahitsy izy. Indrisy anefa fa be loatra ny rà very taminy, ka tsy voatana ny ainy teny an-dalana. Notazomina ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Fihaonana, moa ity mpamily ity

Fa mbola nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa teny amin’iny lalam-pirenena faha-3 iny, omaly, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina, tany Talatan’i Volonondry. Zazalahy no naratra mafy ka nampiakarina haingana taty an-drenivohitra. Raha ny vaovao voaray dia ankevitry ny hiampita ity ankizikely ity no sendra voafokan’ny kodiarana kamiô “remorque”. Soa ihany, araka ny filazan’ireo nanatri-maso, fa napitikin’ny kodiarana izy ireo fa tsy voapotsitra tao. Nahitana ratra teo amin’ny lohan’ity zazalahy ity, araka ny vaovao voaray hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser