- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Tovolahy novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina

Ambatolampy : Tovolahy novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina

Nisehoana vono olona mahatsiravina ny tany Andranovelona Ambatolampy, ny herinandro lasa teo. Tovolahy iray, 16 taona, no novoin’olona tsy fantatra tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka, raha ny tatitry ny mpitandro filaminana. Raha ny fantatra mantsy dia nopotsirina tamin’ny vy ny masony roa. Ary ankevitry ny nosoavaliana angamba fa nahitana mangana ny kihony roa, tapaka ihany koa ny ilan-tanany havia. Tsy vitan’izay fa mbola vaky ny lohany. Voalazan’ny loharanom-baovao fa avy amina vatobe natonta tamin’ny lohany no nahatonga izay. Ny harivan’ny sabotsy lasa teo, no hitan’ny olona ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity, tokony ho 200 metatra niala ny tanàna, tao anaty kirihitr’ala. Raha ny fizahana natao tamin’ny razana dia efa ho roa andro teo no nahafaty ity zazalahy ity. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny anton’izao famonoana mahatsiravina izao. Tsy mbola misy olona ahiahiana ho nahavanon-doza ihany koa. Mandeha hatrany ny famotorana ataon’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser