- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN5 : Havoana nihotsaka, tapaka tanteraka ny lalana…

RN5 : Havoana nihotsaka, tapaka tanteraka ny lalana…

Raha ny fampitam-baovao avy any Analanjirofo, dia tapaka tanteraka ny lalana mianavaratra mampitohy amin’ny Soanierana Ivongo iny ankehitriny. Nihotsaka mantsy ny tany amin’ny lalana iny vokatry, sy nohitsaka ny arabe, hono ny orana mikija tato ho ato izay teto Toamasina. Efa nisy ny fihotsahan’ny arabe izay 03km tsy hidirana ny kaominin’i Soanierana Ivongo iny, saingy niampy indray izany lalana nihotsaka izany noho ity tany nihotsaka tamin’ny arabe ka lasa nanimba lalana ity indray. Nitsidika izany sy nitondra vahaolana avy hatrany ny solombavambahoaka no sady sekretera nasionalin’ny antoko Tgv Toamasina, Rtoa Naharimamy Irma Lucien, izay niaraka tamin’ireo governora faritra roa, atsinanana sy alananjirofo, ary ilay orinasa tsy miankina hanamboatra ilay lalana simba sy tototry ny tany nihotsaka. Mila amboarina haingana mantsy ity lalana ity hoy ny solombavambahoaka satria olona maro no mila izany amin’ny fihariana ataony andavanandro; toerana mamokatra vokatra fanondrana raha teo iny ilany avaratry Toamasina iny, raha tsy hilaza afa-tsy ny jirofo sy ny lavanilina isika. Ankoatra izany dia mifandamina amin’ny fitaterana ireo olona ny mpitatitra miainga ao Fenerivo atsinanana sy avy ao Toamasina renivohitra, ka misy ireo fiara mitatitra ireo mpandeha hatreo amin’ilay lalana tapaka, ka eo indray dia misy mandray ireo mpandeha amin’izany. Ny olana ho an’ny mpandeha dia lasa mandoha saran-dalana roa izy ireo mandritra izany, ka lasa miakatra hatramin’ny saran-dalana vokatra izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici