- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversNisandoka ho havan’ny minisitra : Entina eny amin’ny fampanoavana anio ilay mpamily

Nisandoka ho havan’ny minisitra : Entina eny amin’ny fampanoavana anio ilay mpamily

Nisy ny fangatahana fampitomboana ny fetr’andro ahafahana mbola mitazona azy ety anivon’ny zandary, noho ny anton’ny famotorana, hoy ny tomponandraikitry ny fanadihadiana teny Ambohimanagakely. Anio no atolotra eny anivon’ny Fampanoavana raha tsy misy ny fiovana, ilay mpamily mamo, namivanginga zandary nanao ny asany, ary nilaza ho fianakavian’ny Jly Ravalomanana. Raha ny tokony ho izy tokoa, araka ny voalazan’ny paikady heloka, dia omaly no tapitra ny fetr’andro nahafahana nitazona ity tovolahy ity, teny anivon’ny zandary. Afaka mampitombo izany anefa ireo mpanao fanadihadiana, raha ny voarakitra hatrany. Nambaran’ny Kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary eny Ambohimangakely rahateo fa maromaro ny vesatra hanenjehana ity lehilahy ity, antony nanemorana izany fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana izay. Raha tsiahivina, ny harivan’ny zoma lasa teo ity tovolahy ity no voatery nosamborina tetsy Andranovao Ambohimangakely. Izany dia taorian’ny fisavana natao azy teo amin’ny sakana. Tsikaritra tamin’io fa nandray zava-pisotro ity mpamily ity ary mamo teo anatrehan’izay. Tsy vitan’izay anefa fa mbola namalivaly sy namingavinga ireo zandary nanao ny asany ny anao lahy, no mbola nilaza fa fianakavian’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandariam-pirenena ka tsy azo atao na inona na inona. Nandray andraikitra avy hatrany ny teo anivon’ny Vondro-tobim-paritra ny nanome baiko ny hanokafana ny famotorana sy hisambotra ity farany. Mitovy ny fampiharana ny lalàna na iza io na iza ary na fianakavian’iza na fianakavian’iza, hoy ny eo anivon’ny zandary.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici