- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana : Olona roa hita faty tao an-tranony

Ampandrana : Olona roa hita faty tao an-tranony

Tranga nampivarahontsana no nitranga tetsy Ampandrana. Olona roa, lehilahy sy vehivavy no hita faty tao an-tranony samy nihantona tamin-javatra avokoa. Ilay lehilahy, izay manodidina ny 60 taona teo ho eo voakenda teo amin’ny arofanina ary ilay vehivavy kosa teo am-pandriana. Nahitàna fatotra ihany koa ny tendany ary voatsentsina ny vavany. Efa tena potika tanteraka ny razana, tamin’ny nahatongavan’ireo tompon’andraikitra teny an-toerana. Ankevitry ny efa herinandro vitsivitsy izy ireo namoy ny ainy, raha ny fanazavàna azo. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena zava-niseho tao amin’ity tokatrano iray ity. Nisy namono sa namono tena izy ireo ? Raha ny angom-baovao azo mantsy dia toa hoe mpifankatia ireto olona hita faty ireto ary efa nanomboka ny tapaky ny volana martsa teo no tsy nandrenesam-baovao intsony.

Ny fianakavian’izy ireo tonga mba hitsidika sy hamangy no nahita ity zava-doza ity tao an-trano ary nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana. Tetsy andanin’izay, voalaza fa efa nahare fofona hafahafa rahateo ihany koa ireo teo amin’ny manodidina saingy tsy nisy ny nanam-po ny hisiana tranga toa izao tao amin’io trano io. Efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana misahana ny ady amin’ny heloka bevava moa ny raharaha, ahafahantarana izay tena nitranga marina. Ny razana kosa dia efa nalain’ireo tompon’andraikitra amin’izany ary navantana avy hatrany teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici