- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Lasa misy mpivaro-tena koa

By-pass : Lasa misy mpivaro-tena koa

Amin’ny andro antoandro dia efa misy vehivavy tanora mijorojoro eny amin’ny By-pass. Somary manao endrika mpianatra izay, mibaby kitapo, na mety ho mpianatra mihitsy koa, ary manatona ireo olona izay matetika manamboatra fiara na manasa fiara eny amin’ny sisin-dàlana. Izany no endrika fivarotan-tena eny an-toerana izay vao haingana no nanomboka raha araka ny fanazavan’ireo olona mpanao asa tànana eo amin’ny manodidina. Rehefa tena nodinihina tokoa dia misy ireo tovovavy izay mandeha an-tongotra lavitra be ary mandeha irery kanefa misy ny fiara fitateram-bahoaka izay mivezivezy eo an-toerana. Tsy misy afa-tsy arabe sy tanimbary anefa no hita amin’ny faritra sasany. Fomba iray izay hanintomana ny mpanjifa no antony. Manomboka mivoaka antoandro izany ny mpivarotra fahafinaretana ary miova toerana izay mba tsy ho betsaka mpifaninana. Izany dia manoloana ny fisian’ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina (couvre-feu) noho ny fepetra ara-pahasalamana. Tsy afaka miasa amin’ny alina, araka izany, ireo mpivarotra fahafinaretana ary mila miova paika hitadiavam-bola.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici