- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversTanjombato : Taxi-be tsty nanara-dalàna nifanenjehan’ny polisy

Tanjombato : Taxi-be tsty nanara-dalàna nifanenjehan’ny polisy

Tsy namelan’ny polisy raha tsy tratra ity taxi-be tsy nanara-dalàna teny Tanjombato ny alatsinainy tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Araka ny fanazavan’ny polisy, taxi-be iray mampitohy an’ny 67ha sy Iavoloha no nanala ireo mpandeha rehetra teo amin’ny fihantsonana eo Andohavato, io talata hariva io. Nilaza ilay mpamily fa hiverin-dalana izy ka eo ny farany hitondrany ireo mpandeha. Tsy nety nidina ireo mpandeha satria tokony ho any Iavoloha no fihantsonana farany ho an’io taxibe io. Nisy ny fifamaliana ka voatery nidina ihany ireo mpandeha ary niantso ny polisy niasa tsy lavitra teo. Ilay taxibe kosa efa nitodi-doha niverina ho any Ankadimbahoaka.

Noenjehin’ny polisy ity Taxi-be ity ary tratra ihany na saika tsy nety nijanona aza. Nangataka ny taratasy maha mpamily sy ny mombamomban’ny fiara ny mpitadro filaminana saingy mbola nanda tsy nanome izany mpamily. « Voatery nisambotra azy izahay ary nentina teo anivon’ny kaomisaria izy nanao fanadihadiana ka teo vao nanome ny taratasy rehetra notakiana taminy. Fantatra ihany koa fa tsy nanaja ny cahier des charges ilay taxi-be ankoatra ny tsy fanarahana ny toromarika nomen’ny polisy azy », hoy ny fanazavana. Misokatra ny fanadihadiana.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici