Karohina ankehitriny ilay raim-pianakaviana. Tsy vitan’izay fa mbola omena valisoa iray tapitrisa ariary ihany koa izay mahita azy. Ny alin’ny talata hifoha alarobia izy no nanomboka tsy hita rehefa niala teo amin’ny fiasany, izany hoe ny fivarotan-dasantsy izay nampiasa azy ao an-drenivohitr’Antsohihy. Nentiny niaraka taminy ny vola mitentina efatra tapitrisa ariary, vola izay matiny indray andro tamin’ny fantson’ny solika iray izay niandraiketany. Tokony ho tamin’ny valo ora alina izy no niala teo amin’ny toeram-piasany ary mbola hita tamin’ny « caméra de surveillance » rahateo izany. Nody tany an-tranony izy nony avy eo ary nilaza tamin’ny vadiny fa nafindran’ny toeram-piasany toeran-kafa ary mila miala iny alina iny ihany. Naka ny entan-keliny no nodiany tao dia nanomboka teo izy tsy hita intsony. Ankehitriny dia manao antso avo amin’ny olon-tsotra, ankoatra ny fitoriana izay napetraka teny amin’ny mpitandro ny filaminana ilay fivarotan-dasantsy ary nampanantena valisoa ho an’izay manam-baovao hahitàna azy na koa mahita azy. Mikirakira volabe ny mpampidina solika ary isan-kariva vao manao ny fandrotsaham-bola ao amin’ny trano iasany. Tamin’ity indray mitoraka ity izany dia nihitatra tamin’ny ratsy ny sain’ilay rangahy ary nahatonga azy ny nitsoaka niaraka tamin’ny vola. Vola izay tsy hahavita azy ela satria tsy maintsy hiafina, hisakafo, manotra trano hierena. Tsy vitan’izany aza fa mbola nataony sorona koa ny vady aman-janany izay navelany teo fotsiny noho ilay vola. Matetika dia ireny no tazonin’ny mpitandro ny filaminana mba hivoahan’ilay mpanao ratsy amin’ny fiereny. Asa raha mba nandeha tamin’izany rehetra izany ny sain’ilay mpangalatra talohan’ny nanaovany ilay asaratsy.
D.R