Fiarovana ny tontolo iainana sy fitsinjovana ny vahoaka sahirana, izay no paikadin’ny talem-paritra misahana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy ao Analanjirofo; ka noho ny fiaraha-miasany amin’ny tetikasa PADAP dia nisy ireo trano na tantely natolotra ireo mpiompy izany ao Ambahoabe Soanierana Ivongo. Olana goavana ho an’ny tantsaha mpiompy ity tantely ity mantsy ny tsy fisian’ny tranony fampiasa amin’izany any an-toerana, ka mianona amin’ny trano na tantely netim-paharazana ireo mpiompy izany.
Vokatra izay dia nanolotra trano na tantely niisa 100 sy trano fampitomboana renin-tantely niisa 50, ho an’ireo mpiompy izany avy amin’ny VOI (Vondron’Olona Ifotony) any an-toerana ny tetikasa PADAP. Efa nahazo fiofanana momba nhy fampiasana izany ireo VOI talohan’izao, ka hanatsara ny vokatra tantely ao Analanjirofo ny fahazoan’izy ireo trano na tantely sy fampitomboana rennin-tantely manaram-penitra izao.
Manamora ny fiarovana ny tontolo iainana raha teo hoy ny PADAP ny fananana VOI mananana antom-pivelona tahaka izao fiompiana tantely izao; sady manampy azy ireo amin’ny ara-tsakafo ihany koa izany no vola ho an’ireo mambra ny VOI ireo, hoy Atoa Rakotonanahary Tovoniaina Charles talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy Analanjirofo.
Efa manao ezaka goavana ny talem-paritra ao Analanjirofo amin’izao, amin’ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Raha ny fantatra dia hatramin’ny volana desambra taona 2020 dia lasa nahatratra 2.270.000 ny isan’ny zanakazo novokarina ao Analanjirofo ao. Velarantany mirefy 3.412 ha no fanamby ny faritra Analanjirofo amin’ity taom-pambolena zanakazo 2020-2021 izao ity.
Malala Didier