- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMpanendaka eny Isotry : Lehilahy roa, 32 sy 43 taona, voasambotry ny polisy

Mpanendaka eny Isotry : Lehilahy roa, 32 sy 43 taona, voasambotry ny polisy

Lehilahy roa, 32 sy 43 taona, no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP4 Isotry ny alarobia teo, teny Manarintsoa Isotry, noho ny resaka harom-paosy. Teny akaikin’ny « Perception Principale » Isotry no tra-tehaka teo am-panatanterahana ny asa ratsy raha saika hangarona paosy. Efa mpamerin-keloka izy roa lahy ireto izao tratra izao. Mampitaraina ny olona rahateo ny asa ratsin’ireo jiolahy mpanendaka sy mpangarom-paosy amin’iny faritra iny. Efa nandrasana fotsiny ka tratra aloha izy roa lahy. Mbola misy koa ny namany karohina. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany.

Manohy sy manamafy hatrany ny hetsika fanaony ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Isotry amin’ny fanaraha-maso ireo faripiadidiany amin’ny famongorana ireo mpanao asa ratsy. Mifanome tanana noho izany ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP4 Isotry sy ny polisy miasa ao amin’ny commissariat central Tsaralalàna amin’ny fisafoana ny faritra.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici