Raha mbola tsy hita ny nanafika ilay karaman’ny mpiasa 10 tapitrisa ariary lasan’ireo andian-jiolahy tao amin’ny orinasa “Jumbo Net” ny faran’ny volana marsa teo, dia izao indray ny karaman’ny mpiasa tao amin’ity fanamboaran-trano iray tao Anjoma indray no lasan’ireo andian-jiolahy ny zoma 30 avrily teo. Raha ny fanazavana dia nitondra moto scooter roa ireto andian-jiolahy niisa efatra nitondra basy PA nanafika ireto tamin’izay.
Tsy fantatra ny sandan’ny vola lasan’ireto andian-jiolahy ireto nandritra izany, fa ny hany fantatra dia karaman’ny mpiasa volana avrily ireto lasa ireto. Nambaran’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, raha nanontaniana, fa efa fantatr’ireo andian-jiolahy tsara ny zavatra halainy, satria efa nandrasan’izy ireo ny fahatongavan’ilay teratany vahiny naka sy nitondra ilay vola, ka vao nigadona dia voahambana tamin’ny basy avy hatrany, nakana ilay vola karaman’ny mpiasa tena aminy. Tsy afaka nanohitra ilay nitondra ny vola noho ireo basy nambanana taminy, ka ny hany heriny nanome ilay vola nentiny, na fantatra aza fa karama volana avrily ho an’ny mpiasa tao aminy no teny aminy. Tsy naharitra ela ny zava-nitranga rehetra tamin’ity fanafihana ity, fa vao nahazo ilay vola notadiaviny ireto andian-jiolahy dia nitsoaka avy hatrany tamin’ny moto scooter roa “mena”, araka ny fanazavan’ireo nahita ny tranga nisy. Nomarihan’ny polisy nanao ny fanadiadiana fa eo am-panarahan-dia ireto jiolahy ny polisy amin’izao, satria tsy vahiny amin’izy ireo ireto andian-jiolahy ireo raha ny fomba fanaovany fanafihana.
Ankoatra izany dia nomarihan’ny polisy ihany fa tsy maintsy nisy ny mpiray tendro sy tsikombakomba tamin’ireto andian-jiolahy ireto tao amin’ity toerana nitrangan’ny fanafihana ity, matoa fantatr’ireto jiolahy ny mpaka ny vola sy ny fotoana nahatongavany ary ny nitehirizana azy ihany koa. Mbola eo am-panadihadiana izany koa ny polisy amin’izao, ka ho hita eo ihany ny momba izany rehetra izany.
Malala Didier