- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversKidnapping Anjozorobe : Olona sivy eny am-pelatanan’ny dahalo

Kidnapping Anjozorobe : Olona sivy eny am-pelatanan’ny dahalo

Omaly, dahalo am-polony maro no nanafika tanàna tao amin’ny kaominina Betatao. Nobatain’izy ireo izay zavatra sarobidy rehetra ary nentin’izy ireo an-keriny ny olona dimy tao an-tanàna. Vao ny herinandro nivalona teo koa anefa no nisy olona efatra efa nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny kaominina Amparatanjona. Ny eo tsy milamina, ny hafa misesika ihany! Mandry tsy lavo loha tanteraka ary miaina ao anaty tebiteby isan’andro ireo mponina any amin’iny faritra Anjozorobe iny tao anatin’ny herinandro maromaro izay. Tato anatin’ny andro vitsy monja dia fakana an-keriny miisa roa no nitranga tany an-toerana, tamin’ny kaominina roa samifaha. Ny farany teo, izay vao nitranga omaly maraina, tokony ho tamin’ny enina tany ho any, raha notongavan’ny dahalo maromaro nirongo fiadiana ny tanànan’Ambohimiarina, kaominina Betatao. Araka ny voalazan’ireo mponina sy ny fampitam-baovao tany an-toerana dia tsy tonga intsony handroaka ireo omby tao am-bala izy ireo fa zavatra hafa mihitsy : fandrobana sy fangalana an-keriny. Ambonin’ireo zavatra sarobidy nentin’izy ireo mantsy dia olona dimy, izay saika mpianakavy avokoa no nentin’izy ireo natao takalonaina. Hatreto, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritry ny zandary any an-toerana dia tsy nisy fitakiana vola ho sandan’ny famotsorana ireo olona ireo. Vantany vao nampandrenesina mantsy ireo mpitandro filaminana dia nidina avy hatrany nanara-dia ireo olon-dratsy. Ary tokony tany amin’ny mitatao vovonana tany ho any no nifakantratra tamin’ny sasany tamin’ireo dahalo. Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta saingy tsy mbola votsotra ireo nalaina an-keriny. Tetsy ankilan’izay, voatery mizara izahay, hoy ity lehiben’ny zandary any an-toerana satria dia mbola eo am-pitsongoana dia ireo olon-dratsy nitondra an-keriny ireo efa-mianaka tany amin’ny kaominina Amparatanjona ihany koa izy ireo. Ireto farany, izay marihana fa efa andro maromaro izay no teny am-pelatanan’ny dahalo, izay toa hoe, hitakian’izy vola an-tapitrisany maro, araka ny angom-baovao azo hatrany. “Efa samy manao izay tandrifiny avy amin’ny fanavotana ireto fianakaviana ireto izahay” hoy ny tompon’andraikitra any an-toerana. Fantatra ihany koa fa eo anatrehan’ny zava-nisy dia efa nisy mpitandro filaminana maromaro niainga avy aty an-drenivohitra hanampy ireo efa any an-toerana amin’ny fanavotana ireo olona sivy lasa takalonaina ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici