- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRaharaha vono olona tao Sambava : Tafatsoaka tao amin’ny « violon »...

Raharaha vono olona tao Sambava : Tafatsoaka tao amin’ny « violon » ny vehivavy iray voarohirohy

Tsy niandry ela fa roa andro taorian’ny filazàna fampikarohana vehivavy iray, izay voalaza fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny famonoana ho faty, mpitsabo tao Amboahangibe, Sambava, dia voasambotry ny fokonolona, tao amin’ny kaominina Farahalana izy, omaly. Marihana fa efa tratran’ ny zandary talohan’io ity vehivavy ity, saingy tafatsoaka tao amin’ny « violon »-n’ny zandary nitazomana azy.

Raha tsiahivina ny raharaha, taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany, mahakasika ilay vono olona feno habibiana, nahafatesana mpitsabo iray tao Amboahangibe, ary niteraka savorovoro tany an-toerana, dia nisy olona maromaro nosamborina. Ireo olona ireto dia voalaza fa anisan’ny nandray anjara nivantana na an-kolaka tamin’ny famonoana ity mpitsabo mamy hoditra teo an-tanana ity. Nentina notazomina natao andrimaso tao amin’ny fonjakelin’ny zandary tao Antalaha ireto olona ireto mba hanaovana famotorana. Anisan’izany ny vehivavy iray, izay tsy fantatra na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana fa tafaporitsaka tao amin’ilay fonjakely nitazomana azy. Tsy hita tany nanjavonana avy eo ramatoakely. Voatery nandefa taratasy filazàna fanaovana hazalambo azy ny zandary, noho izy voarohirohy amin’ny raharaha heloka bevava. Nifandrimbona tamin’ny fikarohana azy ny rehetra. Fantatra teo, araka ny fampitam-baovao azo, fa nialokaloka tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Antafononana, kaominina Farahalana, izy. Ireo fokonolona tao amin’ity tanàna ity ihany, araka izany, no nisambotra an’ilay ramatoa, omaly, tokony ho tamin’ny folo ora sy fahefany tany ho any.  « Hatolotra ny fampanoavana toy ireo namany izy, araka ny lalana velona », hoy hatrany ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Araka izany, ankoatra ny vesatra anenjehana azy, tamin’io resaka vono olona io, hoy hatrany ny zandary, dia mbola miampy fitsoahana ny fonjakely nitazomana azy ihany koa izany izany.

Raha ny mahakasika ity raharaha farany ity dia efa eo am-panantanterahana ny famotorana rehetra mahakasika izay ireo mpanao fanadihadiana. Hampiharana ny lalàna avokoa izay rehetra nanao ny fahadisoana na iza na iza. « Ny zandarimaria dia manantitra hatrany fa izay mandika lalàna dia enjehina araka ny lalàna, ka tsy hisafidianana olona na hanaovana kiantranoantrano ». Fanambarana hentitra izay toa midika fa mety hisy mpitandro filaminana voarohirohy ao anatin’izany. Tsy fantatra hatreto fa dia andrasàna ny vokatry ny famotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici