- Publicité -
dimanche, décembre 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Tovolahy roa voasambotra nangalatra vy an’ny Jirama

Ankadimbahoaka : Tovolahy roa voasambotra nangalatra vy an’ny Jirama

Tovolahy roa, 18 sy 20 taona, no nosamborin’ny polisin’ny Compagnie Urbaine d’intervention teny Ankadimbahoaka, omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany maraina, noho ny resaka halatra vy « pilonne » an’ny Jirama. Ireo polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra Ankadimbahoaka sy ny manodidina iny no nahatsikaritra lehilahy telo hafahafa. Vantany vao nahatazana ny mpitandro filaminana ireto olon-dratsy ireto dia nandositra ka nifanenjehana, ary tratra tsy lavitra teo ny roa. Tafaporitsaka kosa ny naman’izy ireo iray. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny « Commissariat Central Tsaralalana » izy roa lahy ireto nanaovana fanadihadiana. « Tamin’ny famotorana natao azy ireo no nahafantarana fa vy amin’ny andrin-jiron’ny Jirama ireo nangalariny ireo. Niaiky ny helony izy roa lahy ireto », hoy ny fanazavana avy amin’ny polisim-pirenena. Hatolotra ny fampanoavana ny alatsinainy ho avy izao izy roa lahy ireto.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici